Manoloana ny fanaratsiana sy fanosoram-potaka azy mialoha izao fotoana hanatontosana ny fifidianana ho ben’ny tanàna izao dia nilaza omaly ny talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida ho ben’ny tanàna,
laharana faha 2, Rina Randriamasinoro, eto Antananarivo renivohitra, Julien Andriamorasata, fa tsy hipetra-potsiny fa hametraka fitoriana ny kandida tohanan’izy ireo. Fanosoram-potaka ny kandida Rina, hoy ny talen’ny fampielezankevitry ny kandida laharana faha 2, no nataon’ny gazety iray izay namoaka fa nisy fanodinkodinam-bola ana miliara tao amin’ny kaominin’Antananarivo renivohitra nandritry ny fitondran’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Efa nisy ny fanadihadiana natao ary raha mitombina izany dia mbola azo hamarinina ireo solosaina. Ny zava-misy izao, hoy ity talen’ny famoahana ity, dia ny fihorohoroan’ireo mpivarotra amoron-dalana rehefa naheno ny filazan’ny kandidam-panjakana fa hesorina tsy misy hatak’andro izy ireo kanefa tsy misy vahaolana akory.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.