Na tamin’ny adihevitra natao tetsy amin’ny lapan’ny tanàna na amin’ny fitsidihana maro be ataony dia nasehon’ny kandidan’ny TIM Rina Randriamasinoro, fa avy amin’ny vahoaka tokoa izy ary mikatsaka izay hahasoa ny vahoaka.
Fantany tsara ny zava-misy eto Antananarivo, fantany ny mponina eto sy ny fombany, fantany ny marary azy ireo sy ny hetaheta. Tsy vahiny aminy ny olana misy eo anivon’ny kaominina ary efa mivonona hitondra vahaolana amin’izany izy. Tsy misy ny tonga lafatra, nahavita izay vitany ireo ben’ny tanàna sy PDS teo aloha saingy maro no mbola asa mila sahanina. Tazana teny nanatrika fihaonana ara-panatanjahantena no sady nanampy ara-pitaovana ireo tanora teny Tsarahonenana ny faran’ny herinandro teo i Rina. Tsy nisalasala nisakafo nahandro gasy teny amin’izay faritra notsidihany, namely ny fanasan’ny Fiangonana ihany koa izy mivady ka nanatrika ny fanompoam-pivavahana natao teny amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy Ankorondrano ary nahazo tso-drano amin’ny fiatrehany ny adidy lehibe miandry azy. Tazana niara-dia taminy teny ihany koa ny ben’ny tanàna am-perinasa Lalao Ravalomanana. Olon’ny finoana sady olon’ny asa sy ny fifampiresahana i Rina Randriamasinoro, tsy fampanofinofisana no ataoko fa toky amin’ny asa tsy maintsy ataontsika ary ilaina ny fifanomezan-tanana, hoy izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.