Politique

Rina Andriamandavy VII sy Claudine R Tsy misy ilan-dRajaonarimampianina azy ireo intsony ?


  • Alatsinainy 18 Desambra 2017

Nanahiran-tsaina ny filoha Hery Rajaonarimampianina mivady ny nafitsok’i Claudine Razaimamonjy sy ny Loholona Riana Andriamandavy VII.

Zary nataon’izy ireo ho andry iankinana amin’ny fanaovana afera ny nahatafidirany ao anatin’ny fanjakana HVM. Efa ireny ny vava be sy teny ratsy variraraka nataon’i Claudine Razaimamonjy tamin’ny antso an-tariby nifanaovany tamin’ny mpiasan’ny Bianco. “ Izahay izao no eto amin’ny fahefana, fa miandrasa aloha an’i prezida Hery hiala vao manenjika azy”, hoy izy. Nanala baraka tanteraka ny filoha ankehitriny izany satria voatonona ho mpiaro ny mpanao afera, ary fialokalofan’ny mpanao kolikoly ny fitondrany. Niaraha-nahita ireny fandikan-dalàna ampahibemaso nataon’ny loholona Riana teny Ambohibao ireny, nitarika andian’olona, nanao fivorivoriana tsy nahazoana alalana nitarika fitoraham-bato ny foiben’ny Bianco Ambohibao saingy tsara aro aloha, ary mbola mialokaloka ao anatin’ny zo tsy azo henjehina. Karazana tambiny ho amin’ny fahafahan’izay manao afera malalaka ny ezaka fampandaniana an’i Hery Rajaonarimampianina tamin’ny fifidianana 2013. Toa tratry ny tsindry ny filoha ankehitriny satria nanampy azy betsaka tamin’ny fanohanana ara-bola sy fampandaniana azy tany Fianarantsoa i Claudine Razaimamonjy, izay tsy vao tamin’ity fitondrana ity no mpanao afera. Tsy tongatonga ho azy anefa ireny fisamborana an’i Claudine ireny fa matoa tontosa dia mety nisy tsindry bokotra avy ao an-dapa ihany. Manomboka voakitikitika ihany koa i Riana Andriamandavy, izay efa nisy nitandroka teny Ampefiloha ny vadiny tamin’ity herinandro ity. Sarotra ny hanilika azy mivantana, saingy efa manomboka kitikitihana tsikelikely io loholona io. Raha ny vaovao efa navoakan’ny orinasan-tserasera iray dia mety tsy ho afa-bela amin’ny raharaha halatra omby any amin’iny faritr’i Fianarantsoa iny ny vadin’i Riana Andriamandavy VII, ary mety tafiditra ao anatiny izy. Toa efa naman’ny vita ny nilan’ny filoha Rajaonarimampianina mivady azy satria raha resa-bola efa manana ny ampy tsy ampifilafilaina intsony ny ny filoha. Any amin’ny resaka fifidianana indray dia efa miantehitra amin’ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony Rasoazananera Monique sy ny minisitry ny Fanatanjahantena Jean Anicet Andriamosarisoa ny HVM amin’ny fampandaniana azy any amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa.


Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT