Politique

Richard Ratsimandrava 41 taona izay, tantaraina sisa


  • Alakamisy 11 Febroary 2016

11 febroary 1975 – 11 febroary 2016, feno 41 taona katroka anio ny nanomoan’ny sasany ny kolonely Richard Ratsimandrava

 

. Mijanona ho mistery mandrak’ity ny androany ny zava-nitranga nanodidina ny nahafatesan’ity filoham-panjakana tamin’izany fotoana izany ity.  Mbola misy velona ireo mpiara-miasa akaiky taminy, sy ireo minisitra niaraka taminy tao amin’ny governemanta Gabriel Ramanantsoa, nialoha ny nisafidianan’ity farany azy hamindrana ny fahefana hitondra ny tany sy ny fanjakana, ny 5 febroary 1975, ka nivoahan’ilay fehezanteny malaza hatramin’izao hoe « Tsy hiamboho adidy aho mon Général ». Hatramin’izao anefa tsy fantatra ny tena tompon’antoka tamin’ny famonoana an’ity manamboninahitra ambony teo anivon’ny zandarimariam-pirenena sady filoham-panjakana ity. Ny amiraly Didier Ratsiraka, tamin’ny taon-dasa, no nanao ampamoaka niainga tamin’ny boky nosoratana vehivavy frantsay, ka nanonona ny anaran’ny jeneraly Gilles Andriamahazo. Fanambarana izay tsy nahafaly ny fianakavian’ity farany, ary noraisin’izy ireo ho faniratsirana ny maty. Hatreto, tsy hita ny tohin’ireo fanadihadiana nolazaina fa nosokafana taorian’ny nahafatesan’ny kolonely Richard Ratsimandrava. Na ny fandevenana tamin’izany aza nizara roa. Natao ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny « camp La Catalane », izay lasa Toby Ratsimandrava amin’izao. Taorian’izay dia roso niazo an’Ambohimalàza ny mpandevina. Avy ny orana tamin’io, ka tsy tafakatra teny an-tampony misy ny fasana ireo mpandevina, fa niandry tety ambany avokoa. Ireo fiara, jeep sy camion 4X4, nitondra ny razana sy ny voninkazo ihany no niakatra  tany. Vita hono ny fandevenana, dia samy nody avokoa. Akory ny hatairana sy ny hagagan’ny rehetra, fa nisy fandevenana nandeha tamin’ny televiziona natao teo Anjanahary, izay fasana vaovao misy soratra hoe « caveau provisoire » ary nambenana zandary mandavan-taona ny zorony efatra. Nihalefy tsy nisy niambina intsony nony taty aoriana. Tobin’ny zandary etsy Andrefan’Ambohijanahary no nampitondraina ny anaran’ny kolonely Richard Ratsimandrava. Dia ho sanatria, tantaraina sisa ?

 

Jean D.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT