Politique

Riana Andriamandavy VII Tsy dia mafana fo amin’ny HVM intsony


  • Alatsinainy 19 Febroary 2018

10 taona lasa izay ! Nafana fo teo anivon’ny tanoran’ny antoko Tiako I Madagasikara teo anilan-dry Mamy Mamonjy Raharinavalona, izay mbola TIM hatramin’izao, sy Vy Vato Rakotovao (lasa Mapar) mihitsy izany Riana Andriamandavy VII izany.

 
Ny tenany mihitsy aza moa no filohan’ny tanora TIM tamin’ny fotoan’androny. Nony nanomboka nafampana ny raharaha 2009 -2010 dia niova ny tenany ary raha ny nalaza tamin’ny fotoan’androny aza moa dia nisy olon’ny tetezamita niaro azy sy nanafina azy. Nitohy tany Mananjary indray ny diany avy eo niafina ka olom-boafidy HVM amin’izao fotoana no niafenany. Lasa minisitry ny fizahantany tamin’ny tetezamita moa izy ny farany. Azo lazaina fa ny antoko TIM no namolavola ity loholona ankehitriny ity saingy dia vitany tao anaty fotoana fohy no nivadika ho mpanohitra ny antoko ka niarahany tamin’ny Tanora Malagasy vonona ary izao nifindrany ao amin’ny Hery Vaovaon’i Madagasikara izao indray. Nahasorena ny olona ny fitakiany ny fanagadrana ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana nandritry ny fitarihana vahoaka niditra tao amin’ny biraom-panjakana iadiana amin’ny kolikoly etsy Ambohibao na Bianco ny 6 aprily 2017. Loholona ny tenany kanefa nandika lalàna mitondra vahoaka hitora-bato biraom-panjakana no mbola sahy nitsipa-doha laka-nitana. Amin’izao fotoana anefa dia heno fa manomboka efa mijerijery izay antoko na vondrona politika mety hiarahany miasa atsy ho atsy indray izy ary efa tsy dia mafana fo intsony ao amin’ny HVM. Tsy manao fanambarana na fanehoan-kevitra miaro be ny fitondrana intsony. Ny raharaha Claudine Razaimamonjy no fantatra fa nanomboka nampisy olana teo amin’ny fanjakana foibe sy ny loholona Riana Andriamandavy VII, noho ny fahatsapan’ity farany fa tadiavina hampizogaina ny fahadisoana rehetra ity Ramatoa mpandraharaha mpanefoefo ity mba hanadiovana olona ambony sasany.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT