Politique

Riana Andriamandavy VII Antomotra ny fisamborana azy


  • Zoma 08 Septambra 2017

Miverina ambony tabilao indray ny resaka Riana Andriamandavy VII tato ho ato, rehefa nangina tao anatin’ny fotoana ela.

Efa nanambara ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara (SMM) fa efa eny am-pelatanan’ny Fampanoavana ny raharaha hanenjehana an’io Loholona io noho ny fandikan-dalàna ambodiomby. Tsiahivina fa nitarika andian’olona nitoraka ny tranom-panjakana, dia ny biraon’ny Bianco ny tenany nandritra ny nitazonana an’i Claudine Razaimamonjy teny Ambohibao. Nitaky tsy nisy fisalasalana ny famoahana io ramatoa voarohirohy tamina kolikoly avo lenta io izy. Mbola nitohy tamin’ny fandrarana ny mpitsara tsy hanao ny asany tamin’ny fisakanana ny tsy hijerena an’i Claudine Razaimamonjy teny amin’ny hopitaly izany, izay notsiahivina fa efa namoahan’ny Fitsarana didy famonjana vonjimaika izy. Niakatra ihany ny daozin’ny tsy fifankahazoana teo amin’ny mpitsara sy ity Loholona ity, ka nisy indray ny fandrahonana natao tamin’ny filohan’ny SMM tamin’ny alalan’ny tambajotra fesiboky. Nitory azy noho ireo anton-javatra ireo ny SMM. Rafitra sy fahefam-panjakana lehibe iray no manenjika azy, ka heverina tsy ho afa-maina ny tenany. Tsy mbola misy aloha ny vaovao ofisialy momba ny fanenjehana azy saingy heverina fa efa antomotra ny amin’izany, raha tena mihatra eto amintsika tokoa ny tany tan-dalàna.

Toky R.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT