Toy ny revolisionina mivaralila efa natao tamin’ny 2009 ihany. Ny fampanantenana sy ny kobaka am-bava no betsaka.
Tena miezaka mampiseho fa olon’ny serasera ny filoha ankehitriny. Hainy ny mampanantena paradisa, talentany ny milaza hanao izao sy izao ka raha ireny tokoa no vita, dia ho sangany tsy aty Afrika ihany fa eto ambonin’ny tany mihitsy i Madagasikara. Fampanofinofisana re izao ! fampanantenana re izao ! Karama farany ambany 200 000Ariary vao tonga eo e ! Trano 50 000 isa ao anatin’ny dimy taona e ! Mbola miandry aloha ireny. Ary mba aiza ilay angidim-by miisa 5 ? Efa tapitra anie ilay roa volana nolazaina fa hahatongavany e ! Ny hita aloha dia ny fijapiana lamasinina no tena misongadina satria ny tetikasan’ny fanjakana teo aloha ihany no ambara fa fanatanterahana ny velirano raha raisina ilay fanaovana ny lalana mampitohy ny seranan-tsambo sy ny lalam-pirenena faharoa ao Toamasina. Lasa ny saina amam-panahy mieritreritra fa 2 taona no hamitana ny lalana manivaka 10km, ka raha ilay tena lalambe migodana telon-jato km izany mety ho an-jatony taona. Fametrahana vatofototry ny asa no atao, dia tahaka ireny hoe efa vita 100% ireny ny asa satria ny serasera mamirapiratra no zava-dehibe mba hilazana fa tena miasa ilay filoha na ny mety ho tetikasan’ny teo alohany aza no hireharehana. Tsy misy maharatsy ny fitohizan’ny fitantanan-draharaham-panjakana fa ny tena loza dia ilay tsy fananan-kambo. Hay mety sy tsara ihany ny nataon’ireo mpitondra teo aloha noharatsiana faran’izay tratry ny hery. Hay namela mamy sy tsara ihany ka ny tena aty aoriana no migalabona sy misitraka azy, kanefa dia nohirahiraina ny hoe : « miala Rajao ». Ny asa natombok’i Hery Rajaonarimampianina anefa no higalabonana atsy ho atsy. Ny tany aloha, dia naongana i Marc Ravalomanana, kanefa mbola ny volam-panjakana ana miliara dolara no nigalabonana tamin’ny tetezamita ankoatra ny harem-pirenena. Ny politikam-panjakana izay nohamavoina sy nentina nanonganam-panjakana tamin’izany ihany no haverina amin’izao, toy ny resaka fiaraha-miombon’antoka amin’ny mpamatsy vola mahazatra, ny fampanofana tany amin’ny vahiny. Andeha hampahatsiahivina kely ilay tenin’ny filoha ankehitriny ny 10 febroary 2009 tao amin’ny Gazety Jeune Afrique fa tena mampalahelo ny vahoaka ny fanomezana tany ampiasain’ny orinasa Koreanina Daewoo. Manameloka ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa aho, indrindra indrindra ny filoha. Folo taona aty aoriana ny 10 novambra, dia ny hoe: mivarotra 100ha dia hahavita zavatra betsaka. Efa hahazo tany ny Maorisianina, ho avy koa angamba ny Sonegaly,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.