Politique

Révérend Satrobory Mitaky ny hanoloana ireo Sefom-pokontany


  • Alatsinainy 16 Jona 2014

Ny fifidianana no maha politika ny politika, ary antoky ny fakan’ny antoko politika ny fanjakana ara-dalŕna.

Efa mibanjina ireo fifidianana sisa tavela ankehitriny ny antoko politika isan-tsokajiny misy eto amin’ny firenena mba hanehoany ny maha izy azy. Tsy hanjary anefa izany, hoy ny Révérend Satrobory mpanorina ny antoko AMF/3FM, raha mbola ireo sefom-pokontany am-perinasa ankehitriny ireo no eo fa tena manao izay tiany ireo, tsy matahotra vahoaka satria notendrena fahatany ka takianay AMF/3FM amin’ny minisitry ny Atitany ny fanoloana azy rehetra mba ho izay tena voafidim-bahoaka marina koa no hitantana izany Fokontany manerana ny Nosy izany. Eny anivon’ny Fokontany mantsy no miainga ny fandrafetana ny lisi-pifidianana marina hahazoana manatanteraka ny fifidianana mangarahara eto amintsika. Tsy ilana volabe akory ny fanatanterahana fifidianana filoham-pokontany, hoy i Satrobory, fa fampiantsoana fivoriambem-pokonolona fotsiny dia manatanteraka fifidianana avy hatrany ary vita tapak’andro. Ho an’ny fifidianana Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra moa dia nanizingizina ity mpanao politika ity fa ho sasa-poana izay mikasa ny hamboly olana ka hampiady azy amin-dRtoa Lalao Ravalomanana. Efa nifampiresaka ary mahay mifandimina izahay sy i Neny, hoy i Révérand, ka vonona ny hanohana azy amin’izany izahay.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT