Politique

Révérend Satrobory “Adidiko ny mijoro fa mpitari-tolona aho !”


  • Alakamisy 24 Novambra 2011

Amin’ny maha Révérend ahy no nidirako ho mpampihavana, hoy i Andrianalijohn Ndriamanampy na Satrobory,nefa rehefa tsy nety izy roalahy dia afaka adidy eo anatrehan’Andriamanitra sy ny razana ary ny tantara aho.

 Noeritreretiko mantsy, hoy izy, fa i Marc Ravalomanana sy i Andry Rajoelina no tokony hifandray tanana fa ny ankoatra izay dia sinema avokoa. Raha miady ve ny roalahy, hoy izy, tsy tokony izy ireo no hampihavanina ? Voantso hiseho teo anoloan’ny fitsarana moa izy omaly, noho ny hoe fikotrehana fanapoahana baomba tamin’ny 2009. Izao no midika fa mpitari-tolona aho ary voasoratry ny tantara tsy azo kosehina ny anaran-dRévérend, hoy i Satrobory. Izay nandalovan-dRalaimongo sy Monja Jaona no andalovako izao ka adidiko ny mijoro fa mpitari-tolona aho fa tsy mpanao politika mitady seza. Nanambara moa ity filohan’ny AMF/3FM ity, fa ohatra ny omby nijery flôra izy sy ireo mpanao politika hafa teny tao amin’ny fitsarana Anosy omaly, natsangana tao aorian’ireo 5 lahy avy tany am-ponja fotsiny, tsy niteny tsy nivolana ary tsy nametraham-panontaniana ihany koa. Nisy tranona baomba «lacrymogène», izay nitarika ny tsy fahasalamany teo aloha teo, tany am-paosin-dRévérend omaly. Vita sonia izy io ary saika hasehony ny mpitsara ary efa nivonona izy ny hametraka fanontaniana tamin’ny mpitsara manao hoe : nahoana no tsy samborina ny mpanapoaka itony tena baomba mampidi-doza itony teny an-dalambe ? Nilaza moa Andrianalijohn Ndriamanampy fa tsy ho ela dia hanambara ofisialy ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena ankehitriny izy.
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT