Mankasitraka ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa fanadiovana lakandrano eto Antananarivo-Renivohitra ny AMF/3FM, hoy ny filoha mpanorina Révérand Andrianalijohn Ndriamanampy
Ankasitrahana manokana amin’izany ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny minisitra Rakotovao Rivo, hoy izy, ary tsy hohadinoina ihany koa ny PDS-n’Antananarivo-Renivohitra, Ny Hasina Andriamanjato. Ity farany aza niaraka tamin’ny SAMVA dia efa nahafaka an’ireo fako nivangongo sy nisavovona teto an-tanàna. Mba afaka niala kely tamin’ny loto ny mponina, hoy izy, afa-pahasahiranana ara-pivelomana ny isan-tokantrano maro fa mba misy sitrany ahay kely hampandehanana ny fiainana andavanandro ary misy hoentin’ny kilonga hampanjariana ny fialantsasatra ihany koa. Mampirisika azy ireo hanana finiavana kely mba hitahiry na dia kely monja aza ao anatin’izay 20 andro hanaovana asa tanamaro izao hitsinjovana ny fampidirana ny ankizy am-pianarana amin’ny taom-pianarana ho avy efa manangasanga sahady. Mikasika ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny dia iaraha-mahalala fa raharahan-tokantrano azy manokana ny an’ny antoko TIM tahaka ny nahazo anay tamin’ny fotoandron’ny Herivelona Rasalama izay nisian’ny SG-n’ny AMF/3FM nitondra lonilony tao amin’ny birao politika noho ny fahazoana tombontsoa manokana nefa karazan’ny nandrora nitsilany ihany ka na dia nifona aza tsy naverina amin’ny fitantanana intsony. Ny azo ambara dia tsy handefitra manana ny rariny intsony ny AMF/3FM ka rehefa tratran’ny samy mandeha samy mitady dia hirotsaka hofidiana ho ben’ny tanàna daholo ireo saika ho kandidà solombavambahoaka niisa 17 manerana ny Nosy miampy ny tenako izay efa nitoetra teto Iarivo hatramin’ny taona 1963 nianarana teny amin’ny Oniversite teny Ankatso ary nanangana ny AMF/3FM tamin’ny taona 1973 rehefa nitantana ela ny JSDM (tanora Psd). Tsy maintsy ho « légitime » ny ben’ny tanàna « légale ».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.