Tsy ekena ho Mayotte 2 i Madagasikara, hoy ny Rév. Andrianalijohn Ndriamanampy Satrobory, toy ny tsy hanekenay koa ny hisian’ny mpanjaka Radama 3 eto na koa hisy Emperora Bokassa 2.
Raha ny zava-misy mantsy, hoy izy, tao anatin’ny fotoana fohy monja izay dia toa mirona amin’izany ny fihetsiky ny mpitondra tetezamita. Repoblika anefa i Madagasikara ary manana ny fiandrianany, hoy izy. Hajaina io fiandrianan’ny firenena io ary hisaorana hatrany ny filoha Tsiranana Philibert sy ny jeneraly De Gaule ny nisian’ny fahaleovantenantsika. Antomotra ny ho fifandraisan-tanan’i Andry Rajoelina sy ny filoha Marc Ravalomanana, izay tsipihako fa mbola filoham-pirenena am-perinasa ankehitriny satria izaho sy ny vahoaka Malagasy dia tsy mbola nifidy filoha vaovao ary tamin’ny taona 2009 dia fanonganam-panjakana no nisy teto. Efa neken’ny efa-tonta tany Maputo sy Addis Abeba ary Afrika Atsimo ho filohan’ny tetezamita i Andry Rajoelina, hoy i Satrobory, nefa zavatra hafa no nambarany rehefa nigadona tetsy Ivato izy ary noravany aza ny ankolafy Rajoelina tarihiny.
Raha nivahiny tany Kinshasa, renivohitry ny Repoblika Demokratika Congo, izahay taorian’izay dia nilaza ny Papa Simon Kimbangu fa asan’ny maizina no atao eto Madagasikara ka mila vavaka isika handresena ny hetraketraka samihafa mitranga eto. Efa nisedra ny mafy izahay, fampihorohoroana, saika famonoana anay mianakavy, fanipazana lakrimozena nidirako hopitaly mihitsy … nefa tsy kivy fa mitondra am-bavaka hatrany ny fiainan’ity firenena ity. Tsy diso izahay nanoratra tamin’ny rehetra fa mila mihaona mba ho antoky ny fandriampahalemana eto izy mianaka izay fototry ny disadisa teto amin’ny firenena, mifandray tanana sy mifamela dia hilamina sy hiroso amin’ny fifidianana tadiavin’ny rehetra isika mianakavy.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.