Ny Malagasy no masimandidy ka aleo ny vahoaka no haneho ny heviny, hoy ny rév.
Andrianalijaona Ndriamanampy manoloana ny vaovao nivoaka an-gazety omaly nitatitra ny fiantsoan’ny filoha afrikanina tatsimo, Jacob Zuma, ny filoha Ravalomanana tsy hilatsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy i Zuma no hitondra an’i Madagasikara fa ny Malagasy izay tompon’ny fanapahan-kevitra, hoy izy. Milaza koa ny Rév. Satrobory fa asan’ny satana hisakanana ny fihaonan’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina ity resaka gropy satanika amin’izao ity ary ny mpitondra tsy mankasitraka izany no ao ambadika. Io antony io koa no mahatonga ny fikotrehana fanakorontanana etsy sy eroa izay tsy aseho mivantana raha ny fanazavany ihany. ”Tsy nasiana intsony ny etona mandatsa-dranomaso fa ny gros-bras indray no nalefa mba hialana amin’ny fanomezan-tsinin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Izao indray dia lazaina fa dahalo ireo nahafaty mpitandro ny filaminana maro tany Atsimo. Amin’ny fomba ahoana anefa no ahazoan’izy ireo fitaovana miaramila ?”, hoy ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity mametra-panontaniana. Na eo aza anefa izany toe-draharaha maro izany dia matoky ny tenany fa ho tanteraka ilay fifandraisan-tanan’izy mirahalahy mianaka araka ny vavaky ny mpino kimbanguista satria na ireo nanohitra ilay fihaonana aza efa manaiky ankehitriny.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.