Tsy nahazo fanasana nivantana avy amin’ny ankolafy Zafy Albert mpikarakara ny hetsika aho sy ny antoko AMF/3FM ka izay no antony tsy nahitana ahy teny amin’ny Villa Elisabeth, hoy ny Rév. Ndrinalijohn Andriamanampy Satrobory.
Mametra-panontaniana moa ity farany hoe : dinika toy inona marina no tiana hahatongavana amin’izany ? Tsy azo ihodivirana ka hotakonana fotsiny manoloana ny tantaran’i Madagasikara izany Rév Satrobory izany, hoy ity mpitari-tolona sady mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity, fa izaho dia raiamandreny, tsy ara-panahy fotsiny fa eo amin’ny fitadiavan-kevitra amin’ny fampihavanam-pirenena ihany koa. Tsy azo dinganina ny tenanay raha io raharaha iray io no hodinihana, hoy ity mpanorina ny antoko AMF/3FM ity. Efa nandefasako taratasy mitovy ny filoha Ravalomanana sy ny mpitantana ny tetezamita Andry Rajoelina amin’ny tokony hifandraisan’izy ireo tanana fa raha tsy izany tsy hisy zava-banona eto. Sady tsy handaniam-bola no tsy hamoriam-bahoaka izany fifandraisan-tanana izany, hoy ny fanampim-panazavana azo fa mba iriako hanatrika izany ireo raiamandreny ara-panahin’ny FFKM izay efa samy nandefasana an’io taratasy io avokoa tahaka an’Atoa Marius Fransman solontenan’ny SADC koa ary ireo parlementera rehetra ankehitriny sy ny Praiministra sy ireo minisitra mpikambana ao amin’ny governemanta tarihany koa. Ambarako, hoy ny Révérand Satrobory, fa manana ny maha izy azy ny AMF/3FM izay nijoro hatramin’ny taona 1973, ary efa nivonona tamin’ny fananganana ny rafitra rehetra amin’izao tetezamita izao.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.