Anisan’ny faly aho rehefa nahazo fandresena ka lasa tompondakan’i Afrika ny Makis de Madagascar, hoy ny Rév. Andrianalijohn Satrobory, noho ny ezaka fampirisihana nomena azy ireo natomboky ny filohan’ny Kongresin’ny tetezamita Mamy Rakotoarivelo teny an-kianjan’i Malacam ka narahan’ny rehetra teny an-kianja koa na tany an-dapa mihitsy aza.
Mampalahelo kosa, hoy izy, ny famadihana ny ezaky ny tanora hangalan’ny mpano politika voninahitra sy hangalarany tombon-dalana sahady amin’ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Mino aho, hoy ity pasitera mpanao politika ity, fa ho tena faly ny tontolon’ny baolina lavalava raha mba nananganana tsangambato na nampitondraina ny anaran’ny kalaza telo mirahalahy nampisongadina ity taranja ity mihitsy aza ilay hoe Tempolin’ny Rugby dia ny anaran’i Mbahiny sy Ravolomaso rainy ary i Sologaly. Mbola nohamafisin’ny Rév. Satrobory ihany koa ny fanambarana nataony tamin’ny haino aman-jery tamin’iny faran’ny herinandro lasa iny sy ny fanatevenana izany teny an-kianjan’i Magro tamin’ny sabotsy teo nilaza fa : “Tokony homena fahefana feno i Omer Beriziky” tahaka ny natao tamin-dRazanamasy sy ny jeneraly Ramanantsoa teo aloha, mba hialana amin’ny ady an-trano sy ny korontana izay efa manomboka amin’izao fotoana izao amin’ny fisian’ny fandrobana isan-tsokajiny, ny fanjakazakan’ny dahalo sy malaso manerana ny Nosy, ny fihetsiky ny miaramila any Atsimo Atsinanana izay mandrava trano sy maka zavatr’olona ankeriny.
Manoloana izany, hoy izy, dia mila tompon’andraikitra azo ianteherana ny vahoaka. Koa satria nilaza ny praiministra Beriziky fa ny tondrozotra no “patron”-ny dia resy lahatra ny daholobe fa tokony hampihariny ara-bakiteny izany. Mitaky amin’ny SADC izahay, hoy ny Rév. Satrobory, hanome an’io fahefana io an’ny Praiminisitra hahafahany manomana sy manatanteraka ny fitoniana sy fanomanana ny fifidianana ary indrindra indrindra ny tetezamita dia tsy natao hanaovana fotodrafitrasa fa hanatanteraka fifidianana ihany no asany. Koa manao antso avo amin’ny SADC izahay fa tsy ilaina roa loha ny fitantanana ny fitondrana eto Madagasikara ary vitan’ny praiminisitra tsara ny manatanteraka izany sady efa nanavotra an’i Madagasikara ity hevitra ity ka tokony haverina. Farany dia mbola mirary soa amin’ny fihaonan’izy mianaka fanindroany any Seychelles ny Rév Satrobory. Efa im-betsaka no namerimberenany fa ny fifandraisan-tanan’izy ireo sy ny fifampiresahany no hitondra vahaolana amin’ity krizy elabe mampijaly vahoaka ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.