Politique

Rév. Satrobory ”Mino aho fa handini-tena ireo mpitandro ny filaminana”


  • Alarobia 01 Aogositra 2012

Tsy niteny na inona na inona mikasika ny zava-nitranga tamin-dRtoa Lalao Ravalomanana vadin’ny filoham-pirenena mihitsy ny tenako raha nandray kabary tetsy amin’ny kianja Magro Behoririka tamin’ny sabotsy 28 jolay teo, hoy ny Rév. Andrianalijohn Ndriamanampy na Satrobory.

 . Ny fisaorana ny vahoaka no nataonay noho ny vavaka nataony tsy tapaka teny an-kianja ka hatrany an-trano sy toeram-pivavahana samihafa tany. Nivaly ny vavaka tamin’ny fahafahanay nadiodio tao amin’ny fitsarana ady heloka bevava niantsoana anay tamin’iny herinandro iny. Tsy teny Ivato rahateo ny tenako, hoy izy, satria fantatry ny namana fa mbola niakatra fitsarana izahay tamin’io andro zoma io. Io fahafahana azo io, hoy izy, dia fahendrena nasehoan’ny fitsarana fa mampihatra tokoa ny fahaleovantenany izy ireo araka ny tenin’ny lehiben‘ny fampanoavana hoe : tsy natao ho mpanenjika be fahatany ny fitsarana ary tsy hitanila.

Raha mikasika ilay raharaha zoma 27 jolay dia ambarako fa fahasahiana mihoapampana no noraisin’ny SGP izay nilaza fa nanome baiko. Amiko dia tsy fanajana ny vehivavy ireny niseho ireny, indrindra vehivavy renin’ny Malagasy tsivakivolo ka mahalasa eritreritra ny fanaovana herisetra taminy. Mino aho, hoy i Satrobory, fa handini-tena ireo mpitandro ny filaminana amin’izay nataon’izy ireo satria sady henatra ho an’ny firenena iny no loza ho an’ny tantara apetraka ho an’ny taraka faramandimby ihany koa. Deraiko manokana ny fihetsika tony nasehoan’ny filoha Marc Ravalomanana raha niditra nivantana tao an-kianja ity tamin’io sabotsy io. Dia tsy sasatry ny mamerina aho fa tsy misy afa-tsy ny fifanatonan’izy mianaka ireo, fifandraisany tanana ary fifampiresahany no hivoahantsika amin’izao krizy izao.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT