Hanana kandidà Depiote miaraka amin’ny Ankolafy Ravalomanana any amin’ny Faritra maro manerana ny Nosy ny antoko AMF/3FM, hoy ny filoha mpanorina azy ny Rév. Andrianalijohn Ndriamanampy Satrobory. Izany hoy ity farany dia entina hanaporofoana fa misy anay ny Faritany enina efa hatramin’ny taona 1973 nijoroan’ny antoko ara-panjakana. Nomarihan’ity mpitaritolona ity fa toy ny efa fahavononany nirotsaka hofidiana ho filohan’ny Repoblika tamin’ny 2001 dia vonona koa ny tenany handray anjara amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna eto Antananarivo-Renivohitra atsy ho atsy mba hanomezana valiny ny fanentanan’ny olona azy ho Ben’ny tanàna “légitime” ho fampandrosoana ny mponina amin’ny lafiny rehetra indrindra ny ara-tsosialy iza efa nimasoana tanatin’ny 40 taona niorenan’ny AMF/3FM.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.