Politique

Rév. Satrobory ”Hisy zava-baovao hiseho ato ho ato”


  • Alarobia 09 Mey 2012

Faly aho tamin’ny fandresen’i François Hollande ny mpampiady angely teo aloha teto amintsika tamin’ny fifidianana natao ny alahady 06 mey teo tany Frantsa, hoy Rév. Satrobory.

 Hisy fiantraikany aty Madagasikara ity trangan-javatra ity ka heverina fa hisy fifanajana amin’izay eo amin’i Madagasikara sy i Frantsa, hoy izy, ary hisy zava-baovao hiseho ato ho ato. Nomarihany fa anisan’ny taizan’ny rafitra sosialista ny tenany satria dia filohan’ny tanora PSD tamin’ny fotoanandron’ny filoha Tsiranana Philibert ary anisan’ireo efa nitarika ny delegasiona tanora malagasy tany amin’ny biraon’ny antoko sosialista frantsay tany Parisy. Mifandraika amin’izany ny toe-draharaha misy eto amintsika, hoy ity CT voatendry avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity, satria dia kilasiako ho mpampiady angely ihany koa izay mpanao politika mitaky ny fanafainganana fifidianana amin’izao fotoana izao ary fampirisihana amin’ny hirosoana any amin’ny fanaovana didy jadona ny fiantsoana miaramila handamin-draharaha ankehitriny

Manohitra marindrano ny fitondrana miaramila ny tenako, hoy ny Rév Satrobory. Aminay, hoy izy, raha tiana ny hisian’ny filaminana eto amin’ity firenena ity dia hiaraka hanao tantara vaovao. Andao hampifandray tanana azy mirahalahy mianaka fototry ny fisian’ny krizy teto amintsika dia Atoa Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Halaintsika tahaka ny nataon’i Desmund Tutu tany Afrika Atsimo nampifandray an’i De Clerk sy Nelson Mandela ka nampilamina fahizay ny tanin-dry zareo.

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT