Hanomboka anio, ao amin’ny efitrano faha-5, ary haharitra telo andro ny fitsarana ny Rév. Andrianalijohn Ndriamanampy Jean Emmanuel Satrobory araka ny fiantsoana azony avy amin’ny vadintany, Rakotoniarimanana Daniel avy amin’ny fangatahan’ny Lehiben’ny fampanoavana.
Ny anarana anaty taratasy fiantsoana aloha dia diso satria dia izany Andrianarijaona Ndriamanampy Jean Emmanuel izany no voasoratra ao. Nekeny ihany anefa satria nisy an’ilay hoe Satrobory eny amin’ny farany. Asa aloha na tsy matoky ny voampanga ny mpiantso na ahoana fa mbola naharay taratasy fiantsoana hafa ho eny amin’ny paositry ny polisy eny amin’ny boriborintany voalohany eny Isotry indray izy omaly ary amin’ny 8 ora, antsasakadiny mialoha ny fitsarana io fotoana io. Hoentin’ny polisy an-tanana ho eny amin’ny fitsarana aho, hoy ny reverend, hamaly ny fiampangana mikasika izany fampirisihana olona hanimba fananan’olona sy fandripahana olona izany, fandravana governemanta sy fampirisihana olona hanohitra fitondrana ka namatsy vola sy nanapoaka baomba ihany koa.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.