Rév. Satrobory

> «Tsy miova lasy izany aho»


  • Sabotsy 28 Septambra 2013

Namaly ny filazana an-gazety tamin’ity herinandro ity nanambara fa «niova lasy» ny Rév. Andrianalijohn Ndriamanampy Satrobory. Nambarany fa ny fahitana azy teny Mahazoarivo nanotrona ny hetsika nataon’ny Kintana mpanohana an’Atoa Tabera Randriamanantsoa no nahatonga io.

Resaka federalista, izay izaho no zokiolona niaraka nandray fitondrana tany Toliara ka ifamatoranay rehetra ny hisian’ny isafidianana «Etat fédéral» manoloana ny «Etat Unitaire», no tao hoy izy. Mitana ny fotokevitra ananako ary ijoroan’ny Fitoviana ananan’ny AMF/3FM najoro tamin’ny 1973 izany ka hitazomanay ny hoe : «Ho tonga anie ny fitoviana». Tsy misy fiovana lasy izany. Izaho koa, rehefa misy fikambanana na antoko manasa ahy dia tonga hatrany aho. Ohatra ny TGV teny Andranomena, ny mpitondra fivavahana tao Antsahamanitra, ny CST nivondrona ho mpanohitra tao Analakely sy Espace Mon Gouter ary koa ny fihaonambe tao amin’ny Carlton, indrindra ny ao amin’ny Magro Behoririka. Hatreto moa efa samy mandeha samy mitady ny ankolafy amin’ny sehatra fifidianana parlemantera fa itambarana kosa ny kandidà amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ka manaraka ny baikon’ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fanohanana an’ny Dr Robinson Jean Louis ny AMF/3FM tarihako, hoy ny Rév. Satrobory.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT