Rév. Satrobory

> Nofaizin’ny mpifidy ny mpanongam-panjakana


  • Sabotsy 02 Novambra 2013

Mbola mitoetra ny ahiahinay AMF/3FM ny amin’ny mety hisian’ny ady an-trano eto amintsika amin’izao zava-misy atrehana amin’ity resaka fifidianana atao amboletra sy tsy voaomana tsara izao izay tsy vahaolana velively hialantsika Malagasy amin’izao krizy izao satria dia ny avy any ivelany no mitady hibaiko ny tontolo politikantsika.

Izao, hoy ny Rév. Satrobory, efa nolazaina fa tonga ny elikoptera hampiasaina hanangonana ny vokatra lavitra nefa ny eto Analamanga izay vita dia an-tongotra aza lazaina fa tsy feno tanteraka hatramin’izao. Sao dia misy ketrika hafa tiana hatao ao ? Ny Iraisam-pirenena anefa efa samy miaiky fa mitarika amin’ny vokatra vonjimaika ny Dr Jean Louis Robinson ary tena misy elanelana be dia be tsy takatry ny saina mihitsy manasaraka azy sy ny kandidà faharoa aoriany. Ambaranay AMF/3FM fa mbola misisika mafy hiaro ny tombontsoany ny Frantsay ka mitady hirika hambolena zavatra hafahafa eto amin’ity firenena ity. Manao antso avo amin’ny mpiara-monina Malagasy aho hivavaka, hoy ny Rév. Satrobory, mba ho resy i Satana lehiben’ny korontana hampidi-kizo an’ity Nosintsika ity. Efa niaraha-nahita ny nafitsoky ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 tsy nitondra ny fiovana nodradradradraina nampanantenaina ny vahoaka akory ka dia iny «vote sanction» nataon’ny Malagasy maro an’isa tamin’ny faha-25 oktobra iny no vokany.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT