Politique

Rév Andrianalijohn Ndriamanampy Mijoro hampifanatona an-dRavalomanana sy Rajoelina


  • Zoma 26 Aogositra 2011


 “Hofaranana ato amin’ny Toby Masina Manampisoa ny fifandirana tao amin’ny Episcopat tamin’ny 17 martsa 2009”. Izay no nofinofin’ny Rév Andrianalijohn Ndriamanampy raha nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety tao amin’ity Tobin’ny finoana Kimbaguista eto Madagasikara ity ny tenany omaly. Faniriana izay antenainy fa ho tanteraka eo anatrehan’ny fisehoan-javatra tato anatin’ny 48 ora, indrindra taorian’ny fanambarana nataon’ireo vondrona politika enina nanao sonia ny Dina Repoblikanina, ka nilazan’ny mpikambana tao fa mamela malalaka ny Filoha Marc Ravalomanana hiverina an-tanindrazana. Aoka anefa tsy ho fihatsarambelatsihy no nanaovana izany satria dia ny tantara no hitsara, hoy ny Rév Andrianalijohn Ndriamanampy.

Ity farany izay manamafy fa fandanian’andro sy fandaniam-bola ny fisisihana hanatanteraka fifidianana, sy ny fampiantsoana fivoriana ataon’ny Raiamandreny Mijoro, na Cnosc na mpanelanelana hafa raha tsy mifanatona, mifampiresaka, mifamela ary mifandray tanana ny filoha voafidim-bahoaka Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny Fahefana avon’ny tetezamita, Andry Nirina Rajoeliana, izay ambaran’ny Rév Andrianalijohn fa fototr’izao krizy izao.

Mahatsiaro ho manana adidy ny tenako amin’ny maha mpitondra fivavahana ahy, hoy ny Rév Andrianalijohn, ka mijoro hampifanatona azy ireo. Nandroso hevitra anefa izy ny hanankinana amin’ny Pr Zafy Albert ny fampihavanam-pirenena ary amin’ny amiraly Didier Ratsiraka ny fandravonana ny olan’ny miaramila, noho izy ireo sady raiamandreny eto amin’ny firenena no manana traikefa ihany koa, ary sokajiana ho anatin’ny Filankevitry ny Olonkendry.

 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT