Politique

Rév Andrianalijohn “Fitaovan’ny Frantsay i Voninahitsy”


  • Zoma 20 Aprily 2012

Manoloana ny filazan’i Voninahitsy Jean Eugčne fa tokony hijanona any ivelany ny filoha Marc Ravalomanana, ary tsy tokony hirotsaka amin’ny fifidianana izao, dia nahitsy ny valin-kafatry ny Rév Andrianalijohn, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, nanondro ny filohan’ny Les AS ho fitaovan’ny Frantsay hanakorontana eto.

 Mamboly korontana ny fisakanana ny fodian-dRavalomanana, hoy ny Rév Satrobory. Miangavy an’i Voninahitsy Jean Eugène ny tenako, hoy izy, hanitsy ny voalazany satria zava-dehibe ny fanavotam-pirenena ka “aleo ny vahoaka no hisafidy ny tiany hitondra azy. Maninona moa raha mba milatsaka izy amin’ny fifidianana filoha sao mba hahazo vato ? Tokony ho fantany mantsy fa misy ny atao hoe gadra politika noho ny fotokeviny, ary misy ny mpanao politika migadra noho ny heloka nataony”. Nanindry mafy ny Rév Satrobory fa maika ny fampihavanam-pirenena. Ka aminy dia sarety mialoha omby ihany ny nandaniana ny lalànan’ny famontsoran-keloka nefa tsy vita fampihavanam-pirenena. Mikasika ity farany dia faniriany ny hakana lesona amin’ny nation-dry zareo tatsy Afrika Atsimo, notarihin’i Desmond Tutu sy Frederick Declerc.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT