Politique

Resaka nosy Malagasy Manahy ny Otrikafo


  • Alakamisy 09 Janoary 2020

Isan’ny adihevitra nametraka ny lanjany namaraparana ny taona 2019 ny resaka nosy malagasy raha ny fijerin’ny avy eo anivon’ny antoko politika Otrikafo azy.

Nanambara ny filoham-pirenena Andry Rajoelina fa ho tafaverina mialohan’ny 26 jona 2020 ireo nosy ireo. Antony mampametra-panontaniana ny antoko Otrikafo io ankehitriny, hoy ny sekretera jeneraliny, Elia Rabevahiny. Tsy ho ela dia tonga izany fetim-pirenena izany saingy raha ny fahitanay azy taorian’ilay fakan-kevitra teny amin’ny CCI Ivato dia mbola tsy tena hita taratra hatreto ny mahakasika ny finiavan’ny mpitondra hamerina izay nosy malagasy izay marina. Mihazakazaka fatratra amin’ny fihazonany ireo nosy ireo ankehitriny ny frantsay ary ny indianina koa dia nilaza ny hifanohana aminy. Inona kosa anefa ny hetsiky ny malagasy etsy ankilany izay ary aiza ho aiza ny tohin’ny fakan-kevitra teny Ivato, hoy ny fanontaniana napetraky ny Otrikafo omaly.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT