Politique

Resaka lalampanorenana sy 4x4 Nody fanina i Jean Max Rakotomamonjy


  • Alakamisy 28 Septambra 2017

Nanao tatitra fohy mikasika ny diany tany Seoul – Korea Atsimo teny Tsimbazaza omaly ny filohan’ny antenimieram-pirenena, Jean Max Rakotomamonjy.

 

Araka ny nambarany dia dinika mikasika ny hisorohana ny ady maneran-tany no anton’ny fivoriambe izay natao sy natrehin’ireo firenena miisa 100 tany an-toerana ka samy nanaiky ny rehetra fa tsy tsara ny miady satria efa hita teo amin’ny tantara nisy hatramin’izay fa tsy nitondra voka-tsoa teo amin’izao tontolo izao. Mikasika ny resabe mandeha ny amin’ny tokony na tsy tokony hikitihana ny lalàm-panorenana amin’izao akatoky ny fifidianana izao moa dia nanambara ny tenany fa aleo aloha ny rehetra samy hamoaka ny heviny dia miainga amin’ny fanangonana izany no handraisana fanapahan-kevitra avy eo. Mikasika ilay fiara tsy matahodalana ho an’ireo solombavambahoaka kosa dia nanambara ny tenany fa raha ny fahafantarany azy dia ireo solombavambahoaka ihany no miantoka ny lany amin’ny fahazoan’izy ireo izany fa manampy amin’ny fanamorana ny dingana fotsiny ny fanjakana. Mbola ilaina ireo fiara tsy mataho-dalana, hoy ny fanazavany, hitateran’ireo solombavambahoaka izay vaovao voarainy amin’ny vahoaka, mety hanampiana amin’ny fanenjehana dahalo sy hitaterana marary ihany koa. Mbola amin’ny taona 2019 rahateo no hifarana ny taom-piasana ka mety tsara ny fifanarahana. Fantatra moa fa mitentina 100 tapitrisa ariary ny fiara tsy mataho-dalana iray ary dia hita ho tsy feno ny fanazavana mikasika azy io omaly fa dia mbola toa fialana bala hatrany.


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT