Politique

Resaka « laïcité » Fototr’olana mety hanakorontana ny firenena


  • Talata 22 Janoary 2019

Hatramin’izao dia mbola miteraka resabe foana ny mikasika ny tsy fifangaroan’ny fivavahana sy fitantanan-draharaham-panjakana na ny « laïcité de l’Etat » , hoy ny CRN.

 

 

 

 Hofoanana ve izany ireo fety Kristianina toy ny noely sy ny alatsinain’ny Paska sy pentekosta ary ireo hafa marobe ? Mila vahana ny olana, hoy ity komity ity. Raha ny fanazavan’ny teolojianina, Hubert Rakotoarivony azy kosa dia efa mazava ny andininy faha-4 ao amin’io lalàmpanorenana tamin’ny 2010 io fa “Ry tanindrazanay malala” no lohatenin’ny hiram-pirenena Malagasy ary mpitandrina Kristianina no namorona azy. Inoana fa Andriamanitry ny Kristianina no ao an-tsainy raha nilaza izy hoe “tahionao ry Zanahary”. Na ny hira nahazo ny laharana faharoa koa aza dia mbola hoe “Zanahary ô tahio ny tanindrazanay !”. Ny andininy faha-48 ao amin’ny lalàmpanorenana mikasika ny fianianan’ny filohan’ny repoblika koa moa dia milaza fa mila mianiana eo anatrehan’Andriamanitra Andriananahary ny filoham-pirenena vaovao. Nanaitra ny maro rahateo ny nandre ny fianianan’i Andry Rajoelina izay tsy nanonona io teny hoe “Andriananahary” io. Maro, araka izany, ny fanontaniana mipetraka mikasika ny fametrahana ny atao hoe « laïcité » eto amin’ny firenena. Sanatrian’izany ho tonga hatrany amin’ny fanovana ny hiram-pirenena mihitsy ve ? Mitady ho fototr’olana mety hanakorontana eto izy ity .

 

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT