Resaka nampisafotofoto teo anivon’ny antenimierandoholona hatramin’ny herinandro teo ny resaka fanonganana ny filohan’ity andrim-panjakana etsy Anosy ity, Rivo Rakotovao.
Nivoaka tamin’ny fahanginany ary ny loholona Amido avy amin’ny antoko politika Hery vaovao ho an’i Madagasikara na HVM. Tafiditra amina kajikajy politikaio, hoy izy. Ny aty amin’ny birao maharitra hatreto dia tsy mbola naharay taratasy mikasika izany. Mazava ny voalazan’ny lalàna fa ny fivoriana tsy ara-potoana dia tsy maintsy izay tao anaty tetiandro na « ordre du jour » ihany no arahana. Tsy mbola nisy resaka fanonganana, hoy izy, tanaty « ordre du jour » tao amin’ny lapa maitso. Nanamafy moa ity mpandrindra ny antoko HVM any Antsiranana ity fa handray anjara amin’ny fifidianana rehetra ny antoko ary efa mivonona amin’izany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.