Politique

Reraka ny tanànan’Antsirabe Miandrandra fanovana tanteraka


  • Alatsinainy 06 Janoary 2020

Mikororosy andro aman’alina ny tanànan’Antsirabe ankehitriny raha tombanana ankapobeny eo amin’ny zava-misy ao aminy taratry ny vahiny sendra mandalo ao aminy.

 

 

 Ny 90 %-n’ny lalana mamakivaky azy mba tsy hilazana fa mety ho ny 99% mihitsy dia feno lavadavaka sy potika ankehitriny. Ny loto isan-tsokajiny toy ny zaoridira miavosa sy misavovona manerana ny tanàna dia tsy ho tamby isaina tanteraka. Azo ambara fa tena miaina ao anaty loto tanteraka ny mponin’Antsirabe ankehitriny ka miandrandra izay fanovana ho entin’ny ho mpitondra vaovao hitantana azy. Mila mpitantana mahay mamerina haingana ny hakanto nampalaza azy hatrizay ity tanànan’Antsirabe ity ankehitriny fa hita ho tena miha-maivana ny vola miditra ao aminy noho izy zary lasa toeram-pandalovana fotsiny sisa ho an’ireo vahiny mpizahan-tany sy ireo tera-tany Malagasy mpankafy ny fitsangatsanganana amin’ny ankapobeny.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT