Politique

“Réquisition” Mainka nandrehitra ny hetsika


  • Zoma 13 Jolay 2012

“Réquisition” ! Io indray izao no malaza nefa mahabe resaka ary fototry ny adihevitra, taorian’ny faneren’ny mpitondra ireo dokotera sy ny mpitsabo mpanampy andaniny, ary ny mpampianatra ankilany, izay manao fitokonana mba hiverina hiasa.

 Araka ny resaka an-tariby nifanaovana tamin’ireo mpitarika sendika voakasika mivantana amin’io “réquisition” io, Raharovoatra Claude, filohan’ny sendika SEMPAMA sy Rakotondrazafy Aimé, filohan'ny sendika SISFM (PARAMED)ary ny Dr Ndatason Frédéric, filohan’ny sendikan’ny dokotera mpiasam-panjakana na SMEDFM, dia tsy niandry ela izy ireo, fa omaly alakamisy 12 jolay ihany dia nametraka fitoriana eny anivon’ny filankevi-panjakana, mangataka ny hampihantonana ny fampiharana io “réquisition” io sy ny hanafoanana azy mihitsy. Araka ny lalàna 2001-025 andininy faha-69 dia tokony tsy hihatra intsony iny “réquisition” iny vao tafapetraka io fitoriana io. Noho izany dia manohy ny fitakiana sy ny fijoroana izahay satria hatreto dia ara-dalàna ny fijoroanay ary araka ny lalàna velona, hoy ireto mpitarika sendika ireto. Nampahatsiahy ireto farany fa sendika maro no efa nanao fanambarana itambarana manoloana ny teritery sy fanenjehana atao amin’ny mpitarika sendika, na dia ara-dalàna aza ny hetsika ataon’izy ireo. Raha ny mpiasan’ny fahasalamana manokana, izany hoe ny PARAMED sy ny dokotera, dia nilaza Rakotondrazafy Aimé fa tsy mbola nodinihina teo anivon’ny filankevitry ny governemanta akory ny fangatahan’izy ireo nefa dia efa vita dinika teo anivon’ny «comité ad hoc», izay najoron’ny fitondrana ihany. “Izany rehetra izany no midika fa tsy vonona ny hijery sy ny hamaha ny olanay akory izao fitondrana izao fa dia fanerena sy ramatahora no betsaka. Nefa ireny «réquisition» rehetra ireny dia vao mainka nampiakatra ny hafanam-pon’ny mpikambana tsirairay eo anivon’ny sendika”, hoy izy. “Raha izahay anie, noho ny fianianana natao, dia tena maniry ny handray sy hiverina amin’ny asa, satria vahoaka malagasy no mitondra faisana voalohany amin’izao. Izay anie no nahatonga anay niezaka nifanatona foana alohan’ny nanaovanay izao hetsika izao.

Ankehitriny dia mazava fa ny fitondrana no tompon’andraikitra voalohany amin’izao fahoriana hitambarana izao”, hoy kosa ny Dr Ndatason Frédéric. Izao dia fanenjehana isan-karazany sy fiantsoana maro no setriny ; ary izahay mpitarika no tena iharan’izany, heverinay fa tsy fanarahan-dalàna izany. Ka vonona izahay hiady manoloana ny lalàna velona mifehy ny sendika, hoy hatrany izy nanohy ny fanazavana. “Tsy izahay mpitarika irery anie no mitondra izao hetsika izao, fa ny mpiasa rehetra eo anivon’ny sendika manontolo. Ka raha ny mpitarika no foanana, dia hisy foana ny hijoro satria samy mahatsapa fa rariny sy hitsiny avokoa ny zavatra angatahinay”.

 
“Mitambatra ary iray ny PARAMED sy ny dokotera ary ny mpampianatra, satria izahay dia mahatsapa fa zava-dehibe loatra eto amin’ny firenena ny asa izay iandraiketanay. Tsy hahafaty ny herim-po sy ny firaisankinanay izany fampitahorana etsy sy eroa izany. Raha tsy mbola mivaly ny fitakiana, dia vonona izahay, hiaro sy hijoro amin’ny anaran’ny namanay rehetra”, hoy ireto mpitarika sendika ireto.
 
Nangonin’i Jean D.
 
Antsoina ho eny amin’ny BC Anosy ny Dr Ndatason Frédéric, filohan’ny sendikan’ny dokotera mpiasam-panjakana (SMEDFM) sy Rakotonandrasana Valérien, Sekretera jeneralin’ny SISFM (PARAMED) anio maraina. Tsy fantatra mazava aloha hatreto ny antony iantsoana ireto mpitarika sendikaly ireto. Tsiahivina fa Rakotonandrasana Valérien dia eo am-piandrasana didim-pitsarana, hivoaka amin’ny talata 16 jolay, taorian’ny nisamboran’ny lehiben’ny Emmo-Reg azy tao an-tokotanin’ny HJRA iampangana azy ho tsy nandray andraikitra fa nijery imaso olona efa ambavahaonan’ny loza (non assistance à personne en danger).
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT