Tsy nety niresaka toe-draharaha politika, indrindra ny famaliana ny fanontaniana mikasika ny famotsoran-keloka ny minisitry ny fitsarana Razanamahasoa Christine raha nanontanian’ny mpanao gazety ny heviny tany Ambositra, tao anatin’ny lanonana ofisialy natrehany niaraka tamin’ny minisitry ny mponina tany an-toerana.
Ny fisaorana ny praiministra Omer Beriziky sy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina tamin’ny mbola fametrahan’izy ireo ny fitokisana aminy hitantana ny ministeran’ny fitsarana no nasongadiny ombieny ombieny. Mikasika ny fitohizan’ny asa ao amin’ity ministera ity kosa dia nambarany fa miompana amin’ny fanadiovana ny fitsarana efa natomboka izany.
Efa mazava koa, hoy izy, fa ny governemantan’ny fampiraisam-pirenena tetezamita dia efa voalaza ao amin’ny tondrozotra. Ny misahana ny fampandehanan-draharaha ankapobeny sy mikarakara ny firosoana amin’ny fifidianana no asa mbola hotohizan-dry zareo manaraka. Mikasika ny olana ara-tany mampimenomenona ny vahoaka kosa dia nambaran-dRtoa minisitra fa haantona aloha, araka ny baikon’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, ny fandroahana vahoaka amin’ny taniny. Tsy midika izany fa avela ho variana hipetraka eo ilay vahoaka. Tsy maintsy karakaraina koa ny taratasy fipetrahany amin’ny tany. Mila fanomanana, hoy izy, ny amin’ny fametrahana ireo olona voakasiky ny ady tany vao azo atao ny fandroahana.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.