Nilatsaka ny didy ! Tsy manana fahefana hangata-panazavana amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) Rtoa Razanamahasoa Christine.
Eo anatrehan’ny HCC dia efa Solombavambahoaka tsotra izy ny tolakandron’ny 5 mey 2014, fotoana nametrahany taratasy fangataham-panazavana teny anivon’ny HCC, hizahana na ara-dalàna na tsia ny didim-panjakana noraisina nanditra ny filankevitry ny minisitra tamin’ny 02 mey, mampiantso ireo solombavambahoaka hivory tsy ara-potoana ary ny faharoa dia ny tsy maha ara-dalàna ny fifidianana ireo mpikambana ao amin’ny Birao Maharitry ny Antenimieram-pirenena tamin’ny 03 mey satria tsy mbola nivoaka ny didy fampiharana voasonian’ny Filoham-pirenena mikasika ny fitsipika anatin’ny Antenimieram-pirenena.
Vokany, tsy nisy noraisin’ny HCC avokoa ireo taratasy fitoriana nataon-dRtoa Razanamahasoa Christine. Didy tsy azo ivalozana ny an’ny HCC, noho izany dia miverina ho depiote tsotra Razanamahasoa Christine, raha tsy hoe hanipy «gant» ka hametra-pialana. Ny MAPAR nahavoafidy azy tany Ambatofinandrahana rahateo tsy hijoro ho mpanohitra ny fitondrana Rajaonarimampianina. Efa nilaza ihany moa Rtoa Razanamahasoa Christine fa efa fantany ny ho valintenin’ny HCC, ka dia andrasana izay ho fanapahan-keviny. Rahoviana no hanao famindram-pahefana amin’i Jean Max Rakotomamonjy izy ? I Rossy efa nandrangaranga taratasy fametraham-pialana. Hametraka izany eo anivon’ny Birao maharitra ve izy sa mbola haka fotoana hisainana any am-pitetezam-paritra mampaneno lakolosy ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.