Tsy teny Mahazoarivo nanome voninahitra ny lanonana famindram-pahefana teo amin’ny praiminisitra niala Beriziky Jean Omer sy ny praiminisitra vaovao Kolo Roger ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Razanamahasoa Christine. Fanajana ny fanambarana nataon’ny MAPAR ny talata no antony, araka ny fanazavany. Fanambarana milaza fa tsy nanaja ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana ny fanendrena ny Praiminisitra. Nanamafy Rtoa Razanamahasoa Christine fa solombavambahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny MAPAR izy, ary nanao sonia fanekena izany, ka hajainy. Tsy tazana teny Mahazoarivo ihany koa ny filohan’ny CENI-T, Atallah Béatrice. Tsy nahazoana fanazavana kosa ny tsy fahatongavany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.