Fanonganam-panjakana no niakaran’ny mpitsara Razanamahasoa Christine tamin’ny fitondrana tamin’ny martsa 2009 ka nahalasa azy minisitry ny fitsarana nandritra ny tetezamita.
Voafidy ho solombavambahoaka tany Ambatofinandrahana ny tenany tamin’ny fifidianana depiote natao tamin’ny 20 desambra 2013 izay marihina fa nisy tamin’ny kandida mpifaninana taminy nanohitra izany. Ny 18 febroary 2014 ny tenany no voafidy filohan’ny Antenimieram-pirenena. 43 andro ihany anefa no nitazonany io andraikitra io dia voaongana tamin’ny alalan’ny fifidianana indray. Montsana ny zava-bita satria izy no filoha fohy fotoam-piasana indrindra tamin’ireo nifandimby rehetra tao Tsimbazaza. Izy koa no vehivavy voalohany. Marihina fa efa nitady ny fomba rehetra tsy ahatongavana amin’izao fahafaham-baraka izao ny tenany saingy tsy nanaiky lembenana ny PMP na ny vondron’ny maro an’isa manohana ny filohan’ny Repoblika. Raha nitarika ny fotoam-pivoriana tsy ara-potoana mantsy ny tenany ny sabotsy 03 mey maraina dia nilaza fa mila dinihan’ny vaomiera manokana aloha ny fanovana ny rijanteny sasany amin’ny andininy faha-12 sy 13 amin’ilay fitsipika anatiny mifehy ny Antenimieram-pirenena. Tontosa io tapakandro maraina io ihany ilay fanitsiana saingy tsy nipoitra intsony kosa ny tenany sy ireo birao teo aloha ary ny ankamaroan’ny MAPAR. Nikasa hanemotra indray ny fivoriana ho amin’ny anio alatsinainy izy ireo saingy nolavin’ny depiote maro an’isa izany izay nanapa-kevitra nifidy filoha vaovao ny tolakandro ihany. Lany tamin’ny isam-bato 111/111 (100%) Rakotomamonjy Jean Max, minisitry ny fizahantany tamin’ny tetezamita ary solombavambahoaka voafidy tany Andapa, natolotry ny PMP izay kandida tokana rahateo.
«Mbola milaza hitarika ny fivoriana rahampitso talata ramatoa Razanamahasoa Christine sy ny birao teo aloha nefa efa mijoro koa ny birao vaovao»
Nanamarika ny fotoam-pivorian’ny Antenimiera ny sabotsy teo ny fisian’ny mpikambana MAPAR vitsivitsy izay nandray anjara tamin’ilay fifidianana filoha. Manodidina ny 10 teo ho eo izy ireo ary anisan’ny fanta-daza indrindra Randrianasolo Nicolas depioten’i Betroka. Samy nanome ny vatony ho an-dRakotomamonjy Jean Max avokoa izy ireo, izany hoe tsy nanaraka ny toromarika sy baikon’ny MAPAR. Raha nanontaniana ny antony tsy nanatrehan’ny ankamaroan’ireo MAPAR ilay fifidianana Razanamahasoa Christine dia anisan’ny antony nambarany ny maha andro tsy fivoriana ny sabotsy ho an’ny Antenimieram-pirenena, araka ilay fitsipika anatiny. Fohy fitadidiana angamba ny tenany satria ny sabotsy maraina dia mbola izy no nitarika ny fivoriana. Andrasana izay tohin’ny raharaha satria mbola milaza hitarika ny fivoriana rahampitso talata, fanokafana ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena, ramatoa Razanamahasoa Christine sy ny birao teo aloha nefa efa mijoro koa ny birao vaovao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.