Tsy mbola mitsahatra mihitsy hatreto ny amin’ny fanehoan-kevitra samihafa taorian’ny kabary nataon’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina farany teo teny Iavoloha tamin’ny zoma 6 janoary 2017 lasa teo.
Anisan’izany ny nambaran-dRtoa Christine Razanamahasoa mpitondra tenin’ny MAPAR nilaza fa kabary volan-kakafotra ireny nataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ireny ka tsy misy fiovana fa ny teo ihany no teo. Nambarany fa tsy misy afa tsy ny resaka fisondrotan-karama 7 % an’ireo mpiasam-panjakana sy fanalefahan-tsazy efa mahazatra homena ireo ampahana gadra no nasongadina tamin’iny kabary iny nefa ny tena nandrasan’ny vahoaka dia ny finiavana hanambarana mazava ny hampiasana an’ireo vola 10,2 miliara dolara, voatonontonona tany Paris fa ho azon’ny firenena Malagasy tamin’ny firesahana tamin’ireo mpamatsy vola avy any ivelany, mba hisy fiantraikana amin’ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka Malagasy efa tena sahirana tanteraka.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.