Politique

Razanamahasoa Christine Famotsoran-keloka faobe no hatao


  • Zoma 16 Martsa 2012

Teknisianina manampahaizana momba ny lalàna avy amin’ny ministeran’ny fitsarana sy ny fiadidiana ny praiminisitra no ekipa miara-mamolavola ny volavolan-dalàna momba ny famotsoran-keloka.

 Araka ny fanazavan’ny minisitry ny fitsarana Razanamahasoa Christine dia izay voalazan’ny tondrozotra momba ny famotsoran-keloka no fototra iaingana handrafetana ilay volavolan-dalàna. Famotsoran-keloka faobe no hatao, hoy hatrany ramatoa minisitra ka ny raharaha 2002 ka hatramin’ny 2009 no voakasiny. Milaza koa ny tenany fa azo raisina izay soso-kevitra avy amin’ireo manampahaizana momba ny lalàna iraky ny SADC raha toa ka tsy manohisohy ny fiandrianam-pirenena izany. Mbola halefa eny anivon’ny Parlemanta ity volavolan-dalàna ity rehefa vonona ka ho hita eo izay hevitry ny antoko sy ankolafy politika samihafa momba azy. Marihina fa miandrandra mafy azy io ireo mpifanandrina politika amin’ny filoha Ravalomanana toa an’i Pety Rakotoniaina, Voninahitsy Jean Eugène, ny minisitry ny raharaham-bahiny am-perinasa Rajaonarivelo Pierrot ary Tantely Andrianarivo ahafahan’izy ireo milatsaka amin’ny fifidianana. Mazava kosa ny hevitry ny ankolafy Ravalomanana fa tsy mila izany famotsoran-keloka izany ny filoha Ravalomanana manoloana ny resabe voizin’ny sasany milaza ny tsy tokony hanomezana azy izany. Fa nanome fe-potoana tapabolana ny Troika-SADC hahatongavan’ny volavolan-dalàna eny amin’ny Parlemanta. Nandao an’i Madagasikara omaly ny lehiben’ny iraka, Marius Fransman.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT