Nisokatra omaly ny atrikasa miompana amin’ny fanjakana tsara tantana hametrahana ny fahaleovantenan’ny fitsarana sy ny mpitsara izay karakarain’ny SMM (Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara).
Hisy ny famoahana fanapahan-kevitra iraisan’ny mpizaika izay mpiharina avy hatrany raha ny fanirian’ny mpitsara rahampitso amin’ny fitokonany. Nandritra ny lanonana fanokafana ny atrikasa omaly dia nibaboka ny minisitry ny fitsarana, Razanamahasoa Christine, fa misy aretina mikiky tokoa ny fitsarana malagasy ka tsy misy mahafantatra tsara izany noho ny mpitsara. Fongarina mandritra ny telo andro ireo aretina ireo ka hitondrana vahaolana. Ho an’ny filohan’ny SMM, Auguste Marius Arnaud, dia misy karazany roa ireo aretina ireo dia ny fisian’ny kolikoly ataon’ny mpitsara fa eo koa ny fidiran’ny rafitra mpanatanteraka sy mpanao lalàna amin’ny asa fitsarana. Kianin’izy ireo manokana ohatra ny fitazonana ny filoham-pirenena sy ny minisitry ny fitsarana ho mpitarika ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara. Toraka izany koa ny fampiasana ny fitsarana ho hery famoretana ho an’ireo tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra. Tsy hanaiky intsony izany tsindry hazo lena izany anefa izy ireo ary milaza ho vonona handray ny andraikitra rehetra mba hananany fahaleovantena tanteraka. «Vonona hanarina ny tsy mety izahay ka tsy hanaiky izay hadalana hataon’ny mpitsara manao ny tsy mety intsony. Hatsangana ny rafitra handraisana ny hetahetan’ny vahoaka ka izay mpitsara mbola mania dia hotsarain’ny vahoaka eo», hoy i Auguste Marius Arnaud. Marihina fa anisan’ny fepetra takian’ny SMM amin’ny fanjakana hiverenany miasa indray ny fanomezan’ny fanjakana toky fa hanatanteraka izay fanapahan-kevitra tapaka mandritra ity atrikasa ity. Mety ho diso fanantenana ihany anefa ireo mpitsara satria ny praiminisitra dia nilaza fa tontosaina izay azo tanterahana mandritra izao tetezamita fa miandry ny fanjakana mijoro aorian’ny fifidianana kosa vao horaisina ny sasany. Ny minisitry ny fitsarana kosa dia mametraka fepetra telo : miankina amin’ny endriky ny fitakiana sy ny fahamendrehan’ny mpitaky izany ary dinihana tsara koa raha toa ka azo tanterahana.
Yves
Sary : Auguste Marius Arnaud, filohan’ny SMM
encadré
Nolavin’ny filohan’ny SMM, Auguste Marius Arnaud, marindrano ny filazan’ny minisitry ny fitsarana, Razanamahasoa Christine, fa tsy ampy ny fanaraha-maso ny mpitsara. Mifanipaka tanteraka amin’izay mihitsy mantsy ny fahitany azy satria efa misy dimy izao ireo rafitra mpanara-maso ny mpitsara ary mbola hiampy ny «Inspection générale de la justice» aza izany. Ny fampiharana no tsy ao tsara, hoy izy. Notsikerainy koa ny fihetsiky ny mpitondra nifandimby izay samy nilokaloka hametraka ny «Haute cour de justice» saingy tsy tantanteraka izany hatramin’izao. Raha ny heviny anefa dia efa nivaha ny krizy raha misy io rafitra io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.