Mba tsy hisian’ny korontana dia tsara ho an’ny HCC ny mamoaka didy mikasika ny «requête» nalefa tany aminy farany teo, hoy Razanakoto Marcellin.
Mbola manana hatramin’ny 11 aogositra isika mianakavy hiandrasana ny valin-teny avy amin-dry zareo, araka ny lalàna. Raha toa moa tsy eken-dry zareo ilay izy dia tsy maintsy miera amin’ny vahoaka indray isika fa efa misy ny paikady manaraka hatao. Mikasika ilay daty malaza navoaka mikasika ny fifidianana amin’ny taona 2013 dia nanambara ity mpanao politika ity fa lalana mankany amin’ny adim-poko io amin’izao tsy mbola fisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena izao.
Ilay fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana nankinina tamin’ny CENI teo aloha aza tsy mbola vita, hoy izy, ka hiditra amin’ny inona indray ity CENIT ity ? Tsy misy ataon’ny fitondrana tetezamita afa-tsy ny manao tery vay manta amin’ny rahaharaha isan-tsokajiny fotsiny eto, hoy izy. Izahay dia mitaky ny fialan’ny filohan’ny tetezamita marindrano sy ny fananganana tetezamita vaovao hiandraikitra ny fifidianana. Ho an’ny Malagasy rehetra ny famahana ny olana eto amintsika fa tsy natokana ho an’olon-droa ihany. Miantso ny rehetra hanambatra ny hery araka ny antson’ny Tolon’ny Vahoaka Malagasy ity CT Taloha filohan’ny KMDT ity.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.