Politique

Razanakoto Marcellin Mety hosamborina indray


  • Alarobia 15 Febroary 2012

Ankoatra ny rivotra mafy dia mafy nentin’ny rivodoza Giovanna ka namela takaitra mafy eto amin’ny firenena iray manonotolo dia mbola rivotra hafa mampisafotofoto ny sain’ny mpanara-baovao politika maro ihany koa ny raharaha Razanakoto Marcellin, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita nosamborina sy notazonina vonjimaika teny amin’ny tobin’ny zandary teny Andoharanofotsy nandritra ny hateloana tamin’iny herinandro lasa iny.

 Efa navoakan’ny zandary ny faran’ny herinandro teo ny lehilahy ary niezaka nanazava avy hatrany ny zava-misy tamin’ny haino aman-jery tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Tonga avy hatrany koa anefa ny valin-kafatra ho azy avy amin’ny Jeneraly Ravalomanana Richard ary navoaka tamin’ny haino aman-jery nilaza fa fandikan-dalàna no nataon’ny CT Marcellin fa tsy resaka politika ka hotazonina indray izy na dia tsy mbola miasa aza ny fitsarana. Raha lehilahy dia tokony hanatona ny mpitandro ny filaminana, hoy izy. Tsy olana izany, hoy indray ny valin-teny nampitain’Ingahy CT tety amin’ny gazety.

«Vonona ny hanatona ny tobin’ny zandary ny tenako raha mbola misy fanadihadiana fanampiny tadiavin-dry zareo nefa rariny kosa angamba», hoy izy, «rehefa misokatra ny fitsarana vao hotohizana ny fanadihadiana rehetra». Mampanontany tena ihany anefa ny zava-misy, hoy ny CT Razanakoto, satria ny olona iray ve izany izao raha vao miteny dia rahonana sy samborina ? Aiza ny fanajana zon’olombelona amin’izany indrindra ny tena mbola mpikambana feno ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ?

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT