Politique

Razanakoto Marcellin (KMDT) “Tsy misy mpankasitraka intsony io fitondrana io”


  • Alarobia 08 Febroary 2012

Dingana manaraka ankehitriny no atrehan’ny KMDT (Komity Miaro ny Demokrasia sy ny Tetezamita) taorian’ny fanomezany 24 ora an-dRajoelina hametrahany fialana.

 Miroso amin’ny fifampiresahana amin’ny vahoaka mivantana izahay izao ka anjarany no mandray fanapahan-kevitra, hoy Razanakoto Marcellin, KMDT. “Tsy nilaza ny hiakatra eny Ambohijatovo mihitsy izahay rehefa tapitra ilay fe-potoana iny fa io dinika mivantana amin’ny vahoaka io no nataonay ary tohizana hatramin’izao. Ho hita eo ny fivoarany”, araka ny fanazavany hatrany. Nampiany fa efa tsy misy mpankasitraka io fitondrana io intsony ny vahoaka izay mifampiresaka amin’izy ireo satria ny teo aloha ihany no miverina amin’ny fanaovana ny tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Milaza ho efa nanome soso-kevitra ny filohan’ny FAT hanitsiana ny fomba fitantanana ny KMDT kanefa tsy nohenoin-teny ka tonga amin’izao fisarahana izao.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT