Politique

Razakanirina Mahafaritsy «Hitambatra ny TIM ho fandraisana andraikitra»


  • Alatsinainy 26 Mey 2014

Anisan’ny tompon’andraikitra misahana ny fandrindrana ny fampivondronana ireo mpikambana ny antoko Tiako i Madagasikara Razakanirina Mahafaritsy. Nisy ny resaka nifanaovan’ny Tia Tanindrazana taminy.

 Tia Tanindrazana (TT) : Resahina be tato ho ato ny fampivondronana ny Tiako i Madagasikara, mby aiza izy io izao ?

Razakanirina Mahafaritsy (RM) : Vokatr’ireny zava-nitranga teto amin’ny firenena ireny tokoa dia nisedra olana anatiny toy ny fizarazarana ny antoko Tiako i Madagasikara. Ankehitriny anefa dia resy lahatra ireo mpikambana rehetra fa tonga ny fotoana hamondronana indray izany antoko matanjaka sy manana ny maha izy azy izany. Dingana maromaro no tsy maintsy hirosoana ary efa an-dalana izany mba ahafahan’ny TIM mandray andraikitra bebe kokoa eto amin’ny firenena. Ny zava-dehibe ao anatiny dia ny faneken’ny rehetra ny misy ny ray aman-dreny mpanorina sy filoham-boninahitra izay manome tsodrano ny hahatontosa izany. Ny tsara ho fantatra dia ny hoe ny fanaovana politika dia mila olona maro sy masaka ara-poto-kevitra. Isika rehetra rahateo dia niara-nahita fa nandeha nankany tany amin’ny fandrosoana ny firenena tamin’ny nitondran’ny filoha Marc Ravalomanana. Anisan’ny lesoka ny fampitam-baovao ka efa miezaka ny manitsy izany izahay mpandrindra ankehitriny. Tsy mijanona eo amin’ny fampihavanana fotsiny izy io fa tsy maintsy mijery ny tetikasa sy fandaharanasa hoentin’ny antoko ihany koa. Raha fintinina dia mandravona ny fomba fijery itovizana sy ny tanjona hiarahana manatratra ireo mpikambana.

TT : Rahoviana ny kongresy nasionalin’ny TIM ?
RM :
Aorian’ny fanasoniavana ny fifanarahan’ny besinimaro dia dingana tsy maintsy hirosoana ihany koa ny fanetsiketsehana ny eny ifotony mba tsy haha tompon-trano mihono azy ireo. Ny komity teknika izay hapetraka eo no hijery ny mikasika izay ankoatra ireo hevitra maro hafa hamelomana sy hanaporofoana indray fa manana ny lanjany eto amin’ny firenena ny antoko Tiako I Madagasikara. Ireo rehetra ireo no harindra mba hiatrehana ohatra ny fifidianana kaominaly.

TT : Ahoana ny momba ny dinika fampodiana ny filoha Marc Ravalomanana ?
RM :
Io no maha zava-dehibe ity fampivondronana ny herin’ireo rehetra mpikambana ao amin’ny antoko Tiako I Madagasikara. Rehefa tontosa soa aman-tsara sy haingana mantsy ny fifanarahan’ny besinimaro mikasika ny maha antoko iray ny TIM dia ho mora ny fifampiresahana sy ny fifandresen-dahatra amin’ny mpitondra fanjakana mba hampazava tsara ny resaka izay voalazan’ny tondrozotra sy ny velirano nataon’ny filohan’ny Repoblika ny hanatanteraka ny fampihavanam-pirenena. Na izany na tsy izany dia mieritreritra izahay fa fotoana tokony hiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana amin’izay izao. Izany indrindra no nahatonga ny ankolafy Ravalomanana miara-miasa sy manohana ny fitondrana tarihin’ny filoha Rajaonarimampianina.

TT : Ny hevitra momba ny toe-draharaha any atsimo ?
RM :
Tsy zava-baovao izy io. Ny tsara ho fantatra fotsiny dia saro-pady amin’ny Malagasy ny halatra omby satria manan-danja eo amin’ny fiarahamonina ny omby. Noho io antony io no nanahirana ny fanjakana hatramin’izay nitondra vahaolana maharitra. Tetsy an-kilany dia nametraka karazana «DINA» ny mpiara-belona saingy olana indray ny filaharany amin’ny lalàna satria noharina tamin’ny fitsaram-bahoaka ilay izy taty aoriana ka voakitika hatramin’ny resaka Foko. Ny hany azo atao dia tsy maintsy miditra amin’ny fampihavanana eo ambony latabatra, izany hoe mila Raiamandreny avy amin’ny fitondram-panjakana mandamina fa ilaina ihany koa ireo Raiamandreny ara-drazana raha tiana ny tena hampilamina.

TT : Miteraka resabe ihany koa ny eny anivon’ny Antenimieram-pirenena, ny fomba fijerinao azy io ?
RM :
Tonga amin’ilay hoe  : «géométrie variable» efa nolazaiko isika ankehitriny. Tsy maintsy hisy fiovaovana foana ao anatin’io parlemantera io. Misy ireo solombavambahoaka tena tian’ny olona, ao ihany koa ireo mpanao politika fa maro ihany koa ireo mpandraharaha afaka nampiasa ny volany izay niteraka ny antsoina hoe demokrasia amin’ny alalan’ny vola. Anisan’ny nisongadina tao amin’io Antenimieram-pirenena io ny fanasohasoana tamin’ny fanomezana ireo solombavambahoaka ireo fiara tsy mataho-dalana sy ny fanambazana maro samihafa ka nahatonga ny fomba fijery fa tena ilaina ny depiote. Tarazo daholo izany ka mahatonga ny eritreritry ny mpanao lalàna hikisaka any amin’ny andraikitry ny mpanatanteraka. Tsy mahagaga raha tonga amin’izao fitadiavam-bola misimisy izy ireo. Teo ihany koa ny fanambazana mihoapampana ireo mpikambana tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ka mihevitra fa zo efa ananan’ny depiote ireo nomena ny CT ireo. Ny fanjakana mahita etsy an-kilany fa mihoatra ny tokony ho izy ny fitakian’ireo solombavambahoaka. Amiko dia ilaina ny fandanjalanjana ireo fomba fijery samihafa ireo. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT