Razakanirina Mahafaritsy

> “Mila olona afaka hiaro azy ny vahoaka Malagasy”


  • Zoma 18 Oktobra 2013

Anisan’ny lesoka lehibe tamin’ny fitondrana nifandimby teto Madagasikara hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantenantsika tamin’ny taona 1960 ny tsy fananan’izy ireo tsangan-kevitra mazava amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny vahoaka maro an’isa.

Ireo fifidianana rehetra izay notontosaina nandritra izay 50 taona izay rahateo dia nifanaraka hatrany amin’ny kajikajy politika mahamety ny fiarovana ny tombontsoan’ireo firenen-dehibe mpiara-miasa efa mahazatra tamin’ny firenena Malagasy, hoy ny filohan’ny antoko Malagasy Iray Razakanirina Mahafaritsy. Niavaka tamin’ny mpitondra rehetra kosa anefa ny filoha Ravalomanana Marc satria nanan-danja sy lafo vidy taminy tokoa ny dikan’izany atao hoe tanindrazana sy firenena. Nisongadina tamin’ny fitondrany ny firenena nandritra ny fito taona izay fomba fijery mirona any amin’ny fiarovana ny tombontsoan’ny mpiray tanindrazana izay ka nanehoany ny tokony hijoroan’ny vahoaka Malagasy amin’ny hambom-pony. Nisokatra tamin’ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena maneran-tany i Madagasikara nanomboka tamin’ny taona 2002 ka laharam-pahamehana tamin’ny fitondrana Ravalomanana hatrany ilay fifandanjana amin’ny fahazoana tombontsoa eo amin’ny an-daniny sy an-kilany. Ankehitriny dia fotoana iray ahafahan’ny olom-pirenena Malagasy mamerina izay fahasarotam-piaro amin’ny fireneny ka tsy azo sandana vola izay ny fametrahana olona tena afaka ny hiaro azy sy ny hareny ary taniny ny fifidianana filoham-pirenena izay hotanterahana ny zoma 25 oktobra 2013 ho avy izao. Ao anatin’ny 50 taona manaraka rahateo dia ny kaontinanta afrikanina no ho foiben’ny fampandrosoana manerana izao tontolo izao eo amin’ny sehatra sy lafin-javatra rehetra ary anisan’izany isika eto Madagasikara, hoy ity ambasadaoro malagasy tany Alzeria teo aloha ity, ka mila miomana amin’ny fiatrehana izany dieny izao.

Ramano F.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT