Tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny sisintany eny Ivato no ahafantaran’ny maro an-dRazafitsiandraofa Jean Brunelle. Mirotsaka amin’ny sehatra politika izy ary fantatra izao fa manomana ny filatsahan-kofidiany. Nisy ny resadresaka nifanaovana tamin’ity zanak’Ikongo ity.
Tia Tanindrazana (TT) : Distrika tara tokoa amin’ny resaka fampandrosoana Ikongo. Amin’ny maha taranaka Mpanjaka anao, inona no fandraisana andraikitra efa nataonao ?
Razafitsiandraofa Jean Brunelle (RJB) : Efa nisy tao anatin’ny taona maro ny fandraisana andraikitra. Nanangana ny fikambanana ZANTA “Zanaka Antanala” izahay tamin’ny taona 2005 noho ny fahitana fa hadino ilay faritra. Nahavita hetsika sy fampitam-baovao maro samihafa izahay mba ho hitan’ny Malagasy rehetra ny zava-misy any. Anisan’ny tanjona napetraka mantsy ny fampahafantarana ny faritra Antanala. Heverinay fa tratra amin’ny ampahany maro izay tanjona izay satria manomboka miha fantatr’olona izy izao. Ao anatin’izany ireo vokatra sy harena ananany izay tsy voatrandraka araka ny tokony ho izy.
TT : Ary tsy mikasa hirotsaka amin’ny seha-pitantanam-panjakana akaiky vahoaka kokoa ve ianao satria izay no tena mampisy fampandrosoana haingana ?
RJB : Tena izay mihitsy no mahatonga ahy hirotsaka amin’ny fifidianana solombavambahoaka ho avy eo, hitondra ny hetahetan’ny mponina sy hisarika ny mason’ny mpitondra aty amin’ny foibe hitodika any amin’iny faritra iny ary hametraka ny fotodrafitrasa izay hoavin’ny fampandrosoana. Tena resy lahatra aho fa tsy misy ny hisian’ny fampandrosoana moderina raha tsy mipetraka ireto zavatra telo ireto. Voalohany dia ny lalana, faharoa ny angovo ary fahatelo ny fifandraisana (telefaonina sy aterneto) satria tsy misy orinasa afaka mihodina raha tsy misy angovo. Iny faritra Antanala iny anefa manana riandrano maro izay azo trandrahana hamokarana angovo. Maro ny fanadihadiana efa vita momba izany fa ny fanatanterahana no tsy misy. Voalaza aza fa afaka mamatsy faritra lehibe ny iray amin’ireo riandrano ireo raha voatrandraka araka ny tokony ho izy. Be voankazo koa any Ikongo nefa lo fotsiny ireo satria tsy misy lalana hamoahana azy na koa ozinina hanodinana azy. Tsy mionona amin’io tsy fisiana io anefa ny tena fa tsy maintsy hihetsika araka izay azo atao.
TT : Fakana “départ” mialoha izany ilay diabe nataonao tany Ikongo farany teo ?
RJB : Raha hiady ianao dia fantarina aloha ny toetry ny tany. Mila mahita ny tena zava-misy marina iainan’ny mponina fa tsy nitantarana. Mifanaraka tsara amin’ny toe-java-misy sy ny filàn’ny mponina amin’izay ny tetikasa volavolaina ka maharesy lahatra azy. Fantany fa azo tanterahana ilay tetikasa fa tsy zavatra manidintsidina na mampanonofy azy.
TT : Efa nanana depiote foana anie Ikongo e ?
RJB : Misy antony maromaro heverina fa tsy nampahomby ireo depiote teo aloha. Goavana indrindra amin’izany ny tsy fahazoany ny fankatoavana sy fiombonan’ny Tranobe hanampy azy. Na dia manana ny fahefana ara-panjakana aza ny solombavambahoaka dia miady irery ihany izy satria ny Tranobe no tompon’ny vahoaka. Izao no tsara fantarina amin’ny fomba Antanala. Misy karazany roa ny tsodrano omen’ny Tranobe. Voalohany ny tsodrano amin’ny vava omeny ny mpanao politika mangataka izany aminy. Faharoa ny tsodrano anokafana varavarana atsinanana. Ny tombony ho ahy dia ny fahazoako io fiombonan’ny Tranobe sy ny vahoaka io satria amin’ny maha zanaky ny Tranobe ny tenako dia mahazo antoka ry zareo fa azony amborahana ny maharary azy sy izay hetahetany aho.
TT : Polisy mitazona andraikitra ambony ianao izany hanao politika ?
RJB : Misy andraikitra raisina tokoa amin’ny maha mpiasam-panjakana fa rehefa mijery ny fahorian’ny mpiray tanindrazana aminao ianao sy ny fahoriana mianjady amin’ny fianakaviambenao dia manotany tena hoe : inona moa no antony ahavelomako sy ho an’iza ? Ho an’ny vady aman-janako ihany ve nefa ny fianakaviako sy firenena mahantra fadiranovana ? Efa nisy mpitondra ihany teo fa tsy misy maharesy lahatra. Fantatro loatra ny zavatra miandry ahy amin’ny maha mpiasam-panjakana ahy nefa tsy afa-mipetra-potsiny. Ny fampianarana nomena ahy tao amin’ny Tranobe dia milaza fa hanompo sy hiaro ny tany no antom-pahavelomana. Ka izay no mampitsangana ahy hiditra amin’ny sehatra politika.
TT : Niresaka ZANTA ianao teo. Vaky ve izy io satria misy ankolafy roa ianareo izao ?
RJB : Tsy vaky ny ZANTA fa ezahan’ny sasany hovakiana. Io resaka fifidianana solombavambahoaka io ihany no antony satria misy “cadre” sasany ao amin’ny ZANTA manam-pikasana hilatsaka koa. Mihevitra mantsy ry zareo fa noho ity fikambanana ity no itiavan’ny olona ahy. Akorontany sy ravany ny ZANTA nefa misy olona tsy afaka hivadika amin’ilay tany niaviany satria mifamatotra amin’io tany io ny rehetra momba azy.
TT : Alaim-panahy ihany ny olom-pirenena hoe tsy miasa ny PAF matoa mivoaka malalaka eto amintsika ny volamena, vato sarobidy, sokatra…?
RJB : Samy tomponandraikitra avokoa izahay miasa ety amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Ho an’ny PAF (polisy miaro ny sisintany) manokana dia ny “zone de formalité” no iandraketany izany hoe mikarakara ny mpandeha sy ny entana miaraka aminy latsaky ny 10 kg. Koa raha misy entana mihoatra io lanja io dia mahita avokoa na dia tsy tomponandraikitra miasa ety fa mavesatra ilay izy. Ajanoko eo ny fanazavana fa heveriko fa azon’ny mpanara-baovao ny tiako hambara.
TT : Inona ny teninao hamaranana ny dinidinika ?
RJB : Vanim-potoana lava no lazaina fa niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara nefa hatramin’ny ankehitriny dia mbola fahantrana lalina no iainan’ny maro an’isa. Izany toe-javatra izany no manosika ny tena zanak’ity firenena ity handinika ny fiarahamonina Malagasy sy handray andraikitra ihany koa satria tsy avela tahaka izao ity tanindrazana iombonana ity fa hitsangana hiaro azy sy hitondra anjara biriky ho an’ny taranaka.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.