Politique

Razafisambatra Louis de Mon Désir Manaraka akaiky ny raharaha Madagasikara izahay aty ampita


  • Talata 27 Septambra 2011

Manaraka akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha aty Madagasikara izahay aty ampitan-dranomasina, hoy Atoa Razafisambatra Louis De Mon Désir, profesora any amin’ny “Université de Sorbone” any Parisy Frantsa.

Manana ny heviny mahakasika ilay tondrozotran’ny SADC vita sonia farany teo teny Ivato izy ka nandefa fanambarana narafitra tany an-toerana tamin’ny faha-20 septambra teo. Aminy aloha dia taratasy torolalana avy amin’ny SADC no filazany ilay natao sonia tamin’ny 17 septambra iny ka izy dia mankasitra ireo hery politika nanao izany sonia izany raha toa ka hampiroso marina ny firenena amin’ny filaminana sy fanaovana ny pedagojia hitantanana ny tany sy ny fanjakana izany. Mitaky adihevitra demokratika anefa izy mba hialana amin’ny politika mifototra amin’ny “omaly tsy miova” sy hamahana ireo olana fototra nahatonga izao fahoriam-bahoaka izao fa tsy azo atao tandrametaka mandritra ny telo andro fotsiny ny fandinihana ny raharaham-pirenena mba tsy hampiverimberina ny krizy politika eto amintsika.

Tsy azo lalaovina intsony ny vahoaka Malagasy, hoy ity profesora zanak’i Toliara ity, ka tsy ho ekena ny hevi-petsy mirona fotsiny amin’ny fizarana seza mba hanaovana hala-bato amin’ny fifidianana manaraka. Tomponandraikitra amin’izay zavatra mety hitranga eto amin’ny firenena ny mpanao politika mbola te hamerina sy hanohy ny fitondrana gaboraraka sy te hanome vahana ny fanavakavahana ara-poko, hoy izy, ka rasiko ho adidy ny mampatsiahy ny fitsipika demokratika manao hoe : “teneno am-pahamarinana ny zavatra atao ary ataovy ny zavatra tenenina”. Nofaranany amin’ny hafatra ho an’ny rehetra amin’ny tsy tokony hanadinoana ny tenin’Andriamanitra voalaza ao amin’ny Soratra Masina manao hoe : “Ny hafetsen’ny Hendry no hamandrihako azy”, ity fanambarana nataon’ny profesora Louis de Mon Désir ity.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT