Politique

Razafindroriaka Nestor Hitadiavana vahaolana ny resaka «delestazy»


  • Talata 29 Novambra 2011

Omaly vao nandray ny andraikiny amin’ny maha minisitry ny angovo vaovao azy Razafindroriaka Nestor.

Nampanantena hitady vahaolana amin’ny resaka angovo sy ny delestazy ny tenany nandritra ny famindram-pahefana teo aminy sy ny minisitra teo aloha, Dr Elysée Ratsiraka. Efa nahazo fotoana hihaonana amin’ny minisitra misahana ny vola sy ny tetibola ny tenany hiresahana ny resaka famatsiam-bola ahafahana mividy fitaovana hanarenana ireo milina mpamokatra herinaratra simba. Nambarany koa fa taorian’ny filankevitry ny governemanta voalohany dia niaraha-niaiky fa raharahan’ny fanjakana ny olan’ny Jirama fa tsy an’ny ministera tantaniny irery ihany. Mahafantatra tsara ny sehatra iasany moa Razafindroriaka Nestor izay tale nisahana ny famokarana herinaratra tao amin’ny Jirama mialoha ny nanendrena azy ho minisitra izao.

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT