Politique

Razafindranada Régis “Iray tsy mivaky ny Arema”


  • Alatsinainy 26 Martsa 2012

Iray tsy mivaky ny arema ary tokana ihany ilay namorona azy dia ny filoha teo aloha Ratsiraka Didier.

 Iray tsy mivaky izy ireo amin’ny fanampiana sy ny fanohanana ny mpiara-belona na dia nisy aza ireo nisintaka taty aoriana. Fantatra izany nandritra ny fanoloran’ny Arema ara-drafitra fanampiana ho an’ny Akanin-jaza Ezaka Vonona ao amin’ny Fokontany Ambohijafy Bemasoandro ny faran’ny herinandro teo, notarihin’ireo mpikambana eo anivon’ny Kongresin’ny tetezamita toa an-dRazafindranada Régis. Tafo fanitso no natolotr’izy ireo ho an’ity Akany ity izay marihina fa potika vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Giovanna farany teo. Ankoatra ity Akany ao Ambohijafy Bemasoandro ity dia nahazo ny anjarany ihany koa ny akany iray any amin’iny kaominina Sabotsy Namehana Avaradrano iny ka tafo fanitso ihany koa no natolotra ny Akany tamin’izany. Tao anatin’ny hafaliana sy ny haravoana tanteraka no nandraisan’ireo tompon’andraikitry ny Akany izany fanampiana izany. Tsara ny mampahatsiahy fa ireo ankizy roa taona sy tapany ka hatramin’ny enin-taona no azo raisina hianatra eny anivon’ny Akany, mialoha ny hidirany eny amin’ny sekoly ambaratonga fototra. Fandraisana anjara no aloan’ny ray aman-dreny fa tsy saram-pianarana. Tsy mandray karama ihany koa ny mpampianatra fa benevole. Hatreto dia ray aman-dreny an-jatony no efa nahazo tombontsoa tamin’izany hatramin’ny niorenan’ny Akany tamin’ny fotoana nitondran’ny filoha teo aloha Ratsiraka Didier, notarihin’ny vady andefimandriny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT