Politique

Razafindrakoto Mamihelson Besetroka Tsy nahitan’ny Malagasy tombony ny dinika tany Maputo teo


  • Talata 21 Aogositra 2012


 Tsy dia nahitantsika Malagasy tombony loatra ary tsy nahitana vahaolana ivoahana amin’ny krizy ilay dinika natao tany Maputo farany teo niarahan’ny Troika SADC nifampidinika tamin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita Andry Nirina Rajoelina niaraka tamin’ireo lehiben’ny mpitandro filamaninana Malagasy nandeha tany, hoy ny CT Razafindrakoto Mamihelson Besetroka avy any Alaotra Mangoro, mpikambana ao amin’ny antoko PSDUM (Parti Social Démocrate Union Madagascar), satria samy miziriziry amin’ny heviny avokoa izy ireo.

Ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita moa, hoy izy, dia efa nanana ny fotokevitra hoe : raha toa ka ny tsy firotsahany ho fidiana ho filoham-pirenena no vahaolana famahana ny krizy eto Madagasikara dia vonona ny tenany amin’izany nefa kosa manoloana izay dia maintsy misy fifampandeferana ataon’ny filoha Marc Ravalomanana ka anisan’izany ny tsy firotsahany koa ho fidiana ho filoham-pirenena indray ary tsy hiverina eto an-tanindrazana raha tsy vita ny fifidianana ho filoham-pirenena.

Izy anefa efa tsy niova tamin’ny heviny fa vonona ny hirotsaka ary tsy maintsy hirotsaka ka tsy dia nahitantsika vokany izany ilay izy. Na izany na tsy izany dia vokatra tsara azo tamin’iny fihaonana iny, hoy ny CT Besetroka, ny naneken’ny SADC ny hitazonana an’ilay tondrozotra nataon’ny rehetra sonia sy ny datim-pifidianana navoakan’ny CENIT sy ny iraisam-pirenena, ka izahay ato anivon’ny UDR-C misy ny PSDUM izay efa nanaiky sy nanao sonia ny tondrozotra dia efa vonona amin’ny fiatrehana ny fifidianana araka ny voalazan’io tondrozotra io. 

Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT