Politique

Razafimandimby Zafilahy Stanislas Tsy ekena intsony ny fanilihana ny ratsy amin’ny filoha Marc Ravalomanana


  • Zoma 29 Jona 2012

Mbola haveriko hatrany ary tsy ho sasatra aho ny hihiaka izany eto an-kianja, fa ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny firotsahany hofidiana indray no tanjona ho an’ny tolona ataontsika, hoy ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita Faritanin’i Toamasina, Razafimandimby Zafilahy Stanislas.

 Tsy miala eto amin’ity kianja ity isika raha tsy tanteraka izany. Tsy manaiky ny famitapitahana ny Zanak’i Dada tarihana etsy sy eroa ny tenako , hoy izy, fa io tanjona voalaza io ihany no tsy maintsy banjinina. Tsy hangina ihany koa isika fa rehefa zavatra tsy manjary misy ankehitriny dia ailika amin’ny filoha Marc Ravalomanana avokoa. Hatramin’ny haino aman-jery malaza ho mpitolon’ny sendika misy azy avy no miezaka manao angoatenda amin’izany. Tsy tantin-dry zareo, hoy izy, fa vao mainka maniry ohatra ny anana ny mpitia ka mitady ny filoha Marc Ravalomanana amin’izao fotoana izao ka dia atao izay handotoana azy. Aoka isika hamondrona hery amin’ny fitsenana ny filoha Marc Ravalomanana, hoy ny CT Zafilahy, fa izy dia tsy ho avy an-tanam-polo fa hiaraka amin’ny « bagages » maro ho fanavotana ny toekarem-pirenena.

Dia nampitainy koa ny hafatra ho an’ireo TIM taloha nisintaka tamin’ny ankolafy izay manao angoatenda an-gazety manafoka ny ankolafy Ravalomanana. Raha tena tia tanindrazana ianareo, hoy izy, dia nijanona niaraka taminay teto an-kianja. Novakian’i Zafilahy Stanislas bantsilana fa matetika ireo nisintaka ireo no nifamaly taminy ary mifanenjan-tsandry mihitsy aza amin’ny farany. Ny azy ireo mantsy ny ambentin-teniny, hoy izy, dia ny hoe “avelao ho any izany Ravalomanana izany fa efa velona izy any, efa manana ny orinasany”. Izaho tsy sasatry ny mamaly fa tsy mivadi-belirano amin’ny mpitolon’i Magro izany i Zafilahy Stanislas ary tsy mibanjina afa-tsy ny tanjona dia ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana sy hanohana azy amin’ny fifidianana ho avy. Ka iza no tena mahamenatra tsy ny mpamadika tanindrazana tahaka ireo jodasy ve ?

Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovĂ na ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT