“Mbola sarintsarina fahaleovantena ihany no misy eto amintsika sy iainan’ny vahoaka Malagasy”,
hoy Razafimandimby Rija, filohan’ny fikambanana Efajoro sady anisan’ireo renim-pianakaviana be herim-po vonona ny hampandroso an’i Madagasikara. Manaporofo izany, hoy izy, ny tenin’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Carlton fa ny Frantsay no tao am-badik’izy sy ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina tamin’ny fanonganana ny filoha teo aloha Ravalomanana. Toraka izany koa ny fahitana fa afaka miditra tsy am-pisalasalana eto amintsika ny Frantsay, araka ny vaovao navoakana gazety iray mpiseho eto an-drenivohitra ny alarobia teo. Midika izany fa “mbola tena eo ambany ziogan’ny Frantsay isika Malagasy”, tranga izay tokony hanaovana hetsika fa hatao am-pahendrena. Amin’ny maha renim-pianakaviana azy moa dia tsy nanadino ny niresaka manokana mikasika ny zon’ny vehivavy Malagasy izy. Nambarany fa efa manomboka manana ny maha izy azy ny vehivavy Malagasy ankehitriny. Manaporofo izany ny asa vitany sy ny fidirany anaty governemanta na dia tsy ampy aza. Tsy tokony hisy olana raha vehivavy ihany koa no mba hitantana ny firenena indray andro any. Matoa mantsy misy lehilahy iray mahomby dia vehivavy hatrany no tao ambadik’izay, tranga iray tsy azo lavina na aiza na aiza, hoy izy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.