Politique

Razafimandimby José «Ny tsiambaratelon-dRajoelina»


  • Zoma 27 Jolay 2012

Anisan’ireo fikambanana namaly ny antson’ny fivondronamben’ny sendikan’ny mpiasam-panjakana teny amin’ny Carlton ny alarobia teo ary teny amin’ny Villa Elisabeth omaly alakamisy ny Fiverenana Andoharano, tamin’ny alalan-dRazafimandimby José.

 Anisan’ireo niray feo tamin’ny mpivory rehetra ihany koa izy fa tonga ny fotoana hanilihana ny mpitondra tsy mahavaha olana eto amin’ity firenena ity. Raha ny marina dia efa fotoana ela talohan’izao fanapahan-kevitra izao ny Fiverenana Andoharano no efa naminavina ny fananganana ny tetezamita tena izy noho ny fahitana fa tsy mandeha amin’ny izy ny fitantanan-draharaham-pirenena ankehitriny. Namoaka tsiambaratelo tsy mbola nolazainy hatramin’izay ity fikambanana ity tamin’ny filazan’ny filohany fa “ny andro alakamisy nialoha ny fitokanana ny Kianjan’ny demokrasia tetsy Ambohijatovo dia anisan’ireo niara-nivory tamin-dRajoelina sy ry Lanto Rakotomavo mivady (TGV) ny tenany sy olona 5 hafa. Valo no fitambaranay.

Tamin’izany no nifanarahana fa “tsy horaisinao Atoa Ben’ny tanàna Andry Rajoelina ny fanjakana. Mbola mila mianatra politika ianao, hanomana tsara ny fandraisana fitondrana any aoriana fa mitarika ny tolona aloha izao no anjaranao”, hoy izy. Efa tany izahay no efa nahatsinjo fa tsy ho zakan-dRajoelina ny mitondra fanjakana, hoy Atoa Razafimandimby José. Sambany izao nambaranay ampahibemaso. Izay no tsy mampandeha ny fitondrana ankehitriny.

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT