Razafimandimby Frédéric

> CES Vaovao sy ny Taloha : Ikotozafy ihany no Leksisy


  • Talata 20 Aogositra 2013


Nilaza ny CT Razafimandimby Frédéric avy any Belo amoron’i Tsiribihina, fa mbola fanapahan-kevitra politika toy ny teo aloha ihany no navoakan’ny CES vaovao satria raha ny tena marina dia tsy mahaleotena mihitsy izy ity. Izay resaka fiankinan-doha izay anefa no nanesorana ny teo aloha ka toa manamarina ilay fitenenana malaza manao hoe : «Ikotozafy ihany no Leksisy». Raha ny hevitro manokana, hoy ny CT Frédéric, dia tokony havela hilatsaka daholo ireo olona na dia mbola hiampy koa aza dia anjaran’ny vahoaka no hitsara, fa efa andron’ny demokrasia izao. Antsika i Madagasikara ka tsy tokony hobaikoan’ny iraisam-pirenena izany. Raha izao no izy dia tsy mbola hilamina ity fiainantsika anaty krizy ity, hoy izy namarana ny teniny.

 

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT