« Ho kandidà solombavambahoaka ny tenako amin’izao fifidianana izao ho mariky ny fampandraisana andraikitra ny tanora amin’ny fitantanan-draharaha sy fampandrosoam-pirenena mifanaraka amin’ny tarigetran’ny fitondrana ankehitriny »,
hoy ny fanambaran’i Mamitiana Razafimanantoanina, nandritra ny lanonana fifampiarahabana nahatratra ny taona nifanaovan’ny kaominina tantanany sy ny vahoaka, ny faran’ny herinandro teo. Fiangaviany an’ireo nanosika azy handray fanapahan-kevitra kosa ny hisian’ny fifankatiavana sy fifanomezan-tanana ary hialan’ny tsirairay amin’ny fifanilikilihana amin’ny lafiny rehetra, hiaraha-miantsoroka ny asa fampandrosoana tian-kapetraka. « Aoka tsy ny loko politika na ny fahasamihafana ara-kevitra intsony no hibaiko fa ny tanjona iraisana amin’ny fampandrosoana », hoy izy. Anisan’ireo ben’ny tanàna tanora indrindra ao amin’ny distrikan’i Brickaville ny an’Anivorano Est nefa naharesy lahatra ny vahoaka tao anatin’ny distrika iray manontolo ny zava-bitany teo amin’ny fampandrosoana ny faritra iadidiany ka nahatonga ny fanosehana azy ho amin’io sehatra mivelatra kokoa io, hiarahan’ny rehetra mahazo tombontsoa avy amin’ny asany. Nohadiana nialoha io lanonana io ny fototry ny trano famakiam-boky vaovao tao amin’ny kaominina Anivorano Est, vokatry ny famadihana ho asa avy hatrany ny tamberimbidy vao narotsaky ny orinasa Ambatovy. Nahazo fankasitrahana manokana tamin’ny minisiteran’ny tontolo iainana koa ity ben’ny tanàna ity noho ny fanomezany lanja manokana ny fitantanana ara-tontolo iainana tao an-toerana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.